Ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo: Efa vita 75% ny asa fanorenana tohadrano ao Finday-Imanombo

  • dimanche, 19 juillet 2020 14:26
  • Sary nomena

Miroso ny asa fanorenana tohadrano lehibe ao Finday, Kaominina Imanombo, Distrika Ambovombe, Faritra Androy. Ny 75% ny asa no efa vita ankehitriny. Kendrena hanondraka velarantany 280ha ny tohadrano rehefa vita, amin’ny alalan’ireo tatatra fivoahan'ny rano mirefy 9km.

Ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny fandaharanasa Defis eo anivon’ny Ministeran'ny Fambolena, Fiompiana ary ny Jono, no mamatsy vola ny fanamboarana ity fotodrafitrasa ara-pambolena ity.

Hamaha ny olana amin'ny tsy fahampian-tsakafo ny fahavitan’ity tohadrano lehibe ity.

Nitsidika ny fizotry ny asa ny Governoran'ny Faritra Androy, Soja Tsimandilatse Lahimaro sy ireo mpiara-miasa aminy, ary koa ny Talem-paritry ny fambolena, fiompiana ary ny jono aty Androy, ary ny avy amin’ny fandaharanasa Defis.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.