Fiompiana akoho: Nitotongana ny vidiny

  • vendredi, 15 mai 2020 11:15
  • Sary nindramina fampiaingoana MPE

Mandalo fahasahiranana tanteraka ireo mpiompy akoho falaina nofo, poulet de chair, satria tsy mandeha ny tsena, tsy manam-bola ny mpanjifa, nefa ny akoho iray volana sy tapany na roa volana ihany no azo tazonina, satria biby alebeazina aingana, no tsy mampiasa vakisiny fanefitra amin'ny aretina.

Tao anatin'ny fihibohana izay, dia efa tratra ny 2kg amin'ny akoho iray, nefa tsy azo tazonina intsony, miakatra ny mason-karena amin'ny sakafo sy ny fikarakarana azy, nefa ny mpandray tsy misy.

8 000ariary ankehitriny ny 1kg amarotana azy amin'ny mpanjifa, raha 10 000 - 12 000 ariary izany teo aloha, 6 000 ariary no andraisan'ny mpivarotra ny kilao, nefa 3 000 ariary ny zanak'akoho kely vao ampitomboina, mbola eo ny sakafony sy ny kojakoja maro, ary ny karaman'ny mpiasa.

Vaovao tsara izy ho an'ny mpanjify, nefa dia fahapotehan'ny sehatra fiompiana akoho raha ny zava-misy ankehitriny.

Hatreto tsy misy fijeren'ny mpitondra ny fanampiana ireo orinasa madinika, izay tena mamelona ny andavan'andron'ny mponina.

(Sary nindramina fampiaingoana MPE - Malagasy Professionnels de l'Elevage)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.