Orinasa: Maro ireo manomboka mandroaka mpiasa na manome atsasa-karama

  • jeudi, 30 avril 2020 18:13

Efa samy sempotra avokoa na ireo mpampiasa na ireo mpiasa. Maro ny Orinasa mandroaka mpiasa ankehitriny, misy aza ireo nanatsahatra mihitsy ny asany.

Tsy maharaka ireo trosa miavosa, sy ny fikatonan'ny tsena ny Orinasa maro, na ny madinika na ny salatsalany, eny hatramin'ireo Orinasa vaventy.

Betsaka ireo mpiasa no tsy nahazo karama izao faran'ny volana izao, misy kosa no atsasa-karama ihany no noraisina.

Hatreto aloha dia tsy misy fanampiana avy amin'ny fanjakana tonga any amin'ny Orinasa na ny mpiasa, ankohatran'ny fanemorana ny fandoavan-ketra, ny TVA moa dia tsy maintsy naloa hatrany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.