Seranan-tsambo: Mitomboka foana ny hofam-pitehirizana entana

  • jeudi, 30 avril 2020 17:21
  • Tahirin-tsary fampiaingoana

Tsy miankia amin'ny mpandrahara mpanafatra na mpanondrana entana ny fikatsoan'ny entana na kaontenera ao amin'ny seranan-tsambo. Ny asa, ny varotra, ny fitaterana dia voafetra na tsy misy mihitsy aza noho ny fepetra napetraky ny fanjakana amin'ny ady amin'ny valan'aretina Covid-19.

Tavela tsy tafavoaka ao amin'ny seranan-tsambo arak'izany ireo kaontenera maro izay tsy miankina amin'ireo mpandraharaha.

Tsy te halala izany anefa ny mpisehatra momba ny fikajiana sy ny fitehirizana ny entana fa dia mitomboka isan'andro hatrany ny vola aloa amin'ny kaontenera tsy mivoaka ny ladoany.

Mitaraina arak'izany ireto orinasa mpanafatra sy mpanondrana entana satria, na fanampiana ataon'ny fanjakana amin'ny orinasa aza tsy misy, ny entana mbola hapibabena sarany amboniny, misy mihitsy aza ny entana atahorana ho simba.

Ny mpanjifa hatrany anefa no hivesatra izany farany satria tsy afaka ny hivarotra fatiantoka ny mpanafatr'entana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.