Amerika: 22 tapitrisa no very asa ao anatin'ny iray volana

  • mardi, 28 avril 2020 12:55
  • Sary nindramina

Tsy vitan'ny mamono ny valanaretina Covid-19 any Amerika, fa maro ireo orinasa no tsy tafarina vokatry ny fihibohana sy ny fikatsoan'ny toe-karena, ny tsy fahazoana mifamezivezy, ny fikatonan'ireo orinasa maro mpamokatra sy mpamatsy akora.

Nitombo 7 tapitrisa ny faran'ny herinandro teo ireo voaroaka amin'ny asa. Mahatratra 22 tapitrisa ao anatin'ny iray volana no very asa. Izany hoe olona 8 isa-tsengondra no very asa.

Niavaka kely ny fandroahana mpiasa ny an'ity orinasa Bird, vao misandratra ara-teknolojika mpampanofa trottinette, fa mpiasa 400 mahery no noroahina tao anatin'ny minitra vitsy tamin'ny alalan'ny visioconférence na fivoriana avy alavitra.

Raha 144 ny isan'ny olona voan'ny Covid-19 ny 8 marsa 2020, dia lasa 1 tapitrisa ankehitriny, roa volana aty aoriana, no voa any Amerika, 114 000 no sitrana, ary 56 634 no maty.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.