Economie

    • jeudi, 21 mai 2020 14:12

    Teti-bolam-panjakana 2020

    Nisy ny fidinana hatramin’ny 1858,8 miliara Ariary ny fampidiran-ketra.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 20 mai 2020 22:36
    • Sary nindramina

    Lavanila: Ireo daty isokafan’ny taom-piotazana 2020-2021

    Nivoaka androany alarobia 20 may 2020 ny didim-pitondrana iraisan’ny ministeran’ny varotra sy ny fanjifana ary asa tanana sy ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana ary jono, mamaritra ireo daty isokafan’ny taom-piotazana lavanila sy varotra lavanila ho an’ny taom-piotazana 2020-2021. Miisa sivy no voasokajy fa mamokatra lavanila eto Madagasikara dia Alaotra Mangoro, Analanjirofo, Anôsy, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, DIANA, SAVA, Sofia ary Vatovavy Fitovinany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 mai 2020 11:15
    • Sary nindramina fampiaingoana MPE

    Fiompiana akoho: Nitotongana ny vidiny

    Mandalo fahasahiranana tanteraka ireo mpiompy akoho falaina nofo, poulet de chair, satria tsy mandeha ny tsena, tsy manam-bola ny mpanjifa, nefa ny akoho iray volana sy tapany na roa volana ihany no azo tazonina, satria biby alebeazina aingana, no tsy mampiasa vakisiny fanefitra amin'ny aretina. Tao anatin'ny fihibohana izay, dia efa tratra ny 2kg amin'ny akoho iray, nefa tsy azo tazonina intsony, miakatra ny mason-karena amin'ny sakafo sy ny fikarakarana azy, nefa ny mpandray tsy misy. 8 000ariary ankehitriny ny 1kg amarotana azy amin'ny mpanjifa, raha 10 000 - 12 000 ariary izany teo aloha, 6 000 ariary no andraisan'ny mpivarotra ny kilao, nefa 3 000 ariary ny zanak'akoho kely vao ampitomboina, mbola eo ny sakafony sy ny kojakoja maro, ary ny karaman'ny mpiasa.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 mai 2020 21:41

    Etazonia: Nitombo 14,7% ny tsy an’asa

    20,5 tapitrisa ny asa very tao anatin’ny volana aprily 2020 fotsiny tany Etazonia, vokatry ny fisian’ny valanaretina Coronavirus. Nitombo 14,7% ny tsy an’asa any an-toerana, tranga izay tsy mbola niseho hatramin’ny taona 1930.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 mai 2020 20:57

    Asa sy famokarana: Tsy azo ihodivirana ny fanohanan’ny Fanjakana ny orinasa

    Namoaka fanambarana iombonana ireo vondron'ny orinasa eto Madagasikara (GEM) sy ny mpandraharaha malagasy (FIVMPAMA) ary ny sendikan'ny mpiasa manoloana ny olana iraisana atrehin'izy ireo.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 30 avril 2020 18:13

    Orinasa: Maro ireo manomboka mandroaka mpiasa na manome atsasa-karama

    Efa samy sempotra avokoa na ireo mpampiasa na ireo mpiasa. Maro ny Orinasa mandroaka mpiasa ankehitriny, misy aza ireo nanatsahatra mihitsy ny asany. Tsy maharaka ireo trosa miavosa, sy ny fikatonan'ny tsena ny Orinasa maro, na ny madinika na ny salatsalany, eny hatramin'ireo Orinasa vaventy. Betsaka ireo mpiasa no tsy nahazo karama izao faran'ny volana izao, misy kosa no atsasa-karama ihany no noraisina. Hatreto aloha dia tsy misy fanampiana avy amin'ny fanjakana tonga any amin'ny Orinasa na ny mpiasa, ankohatran'ny fanemorana ny fandoavan-ketra, ny TVA moa dia tsy maintsy naloa hatrany.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 30 avril 2020 17:21
    • Tahirin-tsary fampiaingoana

    Seranan-tsambo: Mitomboka foana ny hofam-pitehirizana entana

    Tsy miankia amin'ny mpandrahara mpanafatra na mpanondrana entana ny fikatsoan'ny entana na kaontenera ao amin'ny seranan-tsambo. Ny asa, ny varotra, ny fitaterana dia voafetra na tsy misy mihitsy aza noho ny fepetra napetraky ny fanjakana amin'ny ady amin'ny valan'aretina Covid-19. Tavela tsy tafavoaka ao amin'ny seranan-tsambo arak'izany ireo kaontenera maro izay tsy miankina amin'ireo mpandraharaha. Tsy te halala izany anefa ny mpisehatra momba ny fikajiana sy ny fitehirizana ny entana fa dia mitomboka isan'andro hatrany ny vola aloa amin'ny kaontenera tsy mivoaka ny ladoany.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 29 avril 2020 20:49

    Réponse au Covid-19: 20 858 952 dollars du Système des Nations Unies pour Madagascar

    Le Système des Nations-Unies à Madagascar intensifie ses efforts dans l’appui au pays pour faire face au Covid-19. A ce jour, le Système des Nations Unies a engagé un montant de 20 858 952 dollars. Le Système des Nations-Unies accompagne le pays à la fois dans les réponses d’urgence purement sanitaire, y compris dans le renforcement de capacités pour coordonner la réponse au niveau national et dans les régions, mais également dans les réponses socio-économiques, nécessaires aussi bien pour soutenir les mesures d’accompagnement en faveur des populations très vulnérables, des travailleurs dans le secteur informel en difficulté à cause des différentes mesures durant l’Etat d’urgence sanitaire que pour préparer le relèvement après la crise sanitaire dans les domaines économiques incluant l’emploi, la santé et sécurité au travail, l’accompagnement nécessaire au niveau du secteur privé, social, mais également dans la consolidation de la paix et la promotion des droits de l’homme. Par ailleurs, les Nations-Unies avec les partenaires, explorent d’autres nouvelles opportunités de financement pour supporter la réponse cohérente au Covid-19. Tout ceci, conformément au plan de riposte national, au plan d’urgence social, au plan de Mitigation pour le secteur privé, et à la Politique Générale de l’Etat.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 28 avril 2020 19:31

    Taom-piotazana lavanila: Hanomboka ny Alarobia 03 Jiona 2020 ny aty amin’ny Faritra Anôsy

    Hatao ao amin’ny Kaominina Ranomafana ny Alarobia 03 Jiona ny fanamarihana ny fanombohan’ny taom-piotazana lavanila ho an’ny Faritra Anôsy amin’ity taona 2020 ity. Tsara ny kalitaon’ny Lavanila aty amin’i Faritra Anôsy, araka ny fanadihadiana nataon’ny teknisianina na dia vao mirotsaka amin’ity seha-pihariana ity aza ny mpamboly aty an-toerana.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 28 avril 2020 12:55
    • Sary nindramina

    Amerika: 22 tapitrisa no very asa ao anatin'ny iray volana

    Tsy vitan'ny mamono ny valanaretina Covid-19 any Amerika, fa maro ireo orinasa no tsy tafarina vokatry ny fihibohana sy ny fikatsoan'ny toe-karena, ny tsy fahazoana mifamezivezy, ny fikatonan'ireo orinasa maro mpamokatra sy mpamatsy akora. Nitombo 7 tapitrisa ny faran'ny herinandro teo ireo voaroaka amin'ny asa. Mahatratra 22 tapitrisa ao anatin'ny iray volana no very asa. Izany hoe olona 8 isa-tsengondra no very asa. Niavaka kely ny fandroahana mpiasa ny an'ity orinasa Bird, vao misandratra ara-teknolojika mpampanofa trottinette, fa mpiasa 400 mahery no noroahina tao anatin'ny minitra vitsy tamin'ny alalan'ny visioconférence na fivoriana avy alavitra. Raha 144 ny isan'ny olona voan'ny Covid-19 ny 8 marsa 2020, dia lasa 1 tapitrisa ankehitriny, roa volana aty aoriana, no voa any Amerika, 114 000 no sitrana, ary 56 634 no maty.  
    Lire la suite ...
Page 6 sur 68