Economie

    • jeudi, 30 juillet 2020 19:47

    Tetikasa FlyOver: hatomboka amin’ity taona ity ny asa etsy Andohatapenaka/Ampasika sy ny etsy Anosizato

    Notapahana mandritra ny Filankevitry ny Minisitra fa hatomboka amin’ity taona ity ny fanaovana ireo FlyOver na teteza-mihantona ambony kihon-dalana miisa roa, dia ny etsy Andohatapenaka/Ampasika, sy ny etsy Anosizato. Hanome famatsiam-bola mitentina 20 tapitrisa dolara ho entina amin’izany ny BADEA na ny Banky Arabo ho amin’ny Fampandrosoana aty Afrika, ka ny famatsiam-bola anatiny no ho entina manomboka ny asa, ary ny famatsiam-bola avy amin’ny BADEA kosa no handray ny tohin’ny asa. Fampindramam-bola mandritra ny 30 taona izy io, ary amin’ny zana-bola ambany 1%, ary afaka 10 taona vao hatomboka ny famerenana azy. Ao anatin’izany ny fanaovan-dalana mirefy 8km sy ny fanamboarana ireo tetezana. Mbola mety hitombo io famatsiam-bola io araky ny fizotry ny fifampiresahana amin’ny BADEA.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 25 juillet 2020 21:20

    Lavanilina: Hifarana amin’ny 31 jolay ny fangatahana fahazoan-dalana hanondrana

    Ny 31 jolay izao no mifarana ny fandraisana ny antontan-taratasy fangatahana fahazoan-dalana hanondrana lavanilina ho an'ny taom-panondranana 2020-2021, araka ny fampahatsiahivana ataon’ny ministeran’ny indostria sy varotra sy ny asa tanana.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 juillet 2020 23:00

    Famatsiana: Nanafatra vary 16 000 taonina mitentina 5,3 tapitrisa dolara i Madagasikara

    Nekena ny didim-panjakana manome alalana manokana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Société Générale sy ny SPM (State Procurement of Madagascar), izay orinasa tsy anavahana anarana (S.A), nitsangana tamin’ny 17 desambra 2019, amin’ny fanafarana vary 16 000 taonina hamatsiana ny eto an-toerana, izay mitentina 5,3 tapitrisa dolara. Ka nahafahana nividy vary mora 345$ ny taonina avy any ivelany, na 1 317 900ariary ny taonina amin'ny sandam-bola 3820ariary ny 1 dolara, izay manome 1 317.9 ariary ny vidin'ny 1kg hividianana azy any.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 21 juillet 2020 14:53
    • Sary fampiaingoana nindramina: Nizeria

    Afrika: Ireo firenena 10 manankarena indrindra

    Araka ny fandaharana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena dia 1. Nizeria, 2. Afrika Atsimo, 3. Ejipta, 4. Alzeria, 5. Maroc, 6. Etiopia, 7. Kenya, 8. Angola, 9. Ghana, ary 10. Tanzania
    Lire la suite ...
    • dimanche, 19 juillet 2020 14:26
    • Sary nomena

    Ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo: Efa vita 75% ny asa fanorenana tohadrano ao Finday-Imanombo

    Miroso ny asa fanorenana tohadrano lehibe ao Finday, Kaominina Imanombo, Distrika Ambovombe, Faritra Androy. Ny 75% ny asa no efa vita ankehitriny. Kendrena hanondraka velarantany 280ha ny tohadrano rehefa vita, amin’ny alalan’ireo tatatra fivoahan'ny rano mirefy 9km. Ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny fandaharanasa Defis eo anivon’ny Ministeran'ny Fambolena, Fiompiana ary ny Jono, no mamatsy vola ny fanamboarana ity fotodrafitrasa ara-pambolena ity. Hamaha ny olana amin'ny tsy fahampian-tsakafo ny fahavitan’ity tohadrano lehibe ity. Nitsidika ny fizotry ny asa ny Governoran'ny Faritra Androy, Soja Tsimandilatse Lahimaro sy ireo mpiara-miasa aminy, ary koa ny Talem-paritry ny fambolena, fiompiana ary ny jono aty Androy, ary ny avy amin’ny fandaharanasa Defis. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 16 juillet 2020 15:47
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Tsy mifanaraka amin’ny vidin’ny lavanila ny tantsaha sy ny mpividy

    Rava maina ny tsena lavanila tao Manakana Kaominina Ambodiampana, Distrika Sambava, nanokafana ofisialy ny taom-piotazana lavanila ny 15 jolay 2020 ho an’ny Faritra SAVA. Tsy mifanaraka amin’ny vidin’ny lavanila ny tantsaha sy ny mpividy. 300 000 Ariary ny kilao hoy ny filohan’ny fikamban’ny tantsaha, tsy nanome ny heviny ireo mpanangom-bokatra dia rava maina tamin'io andro voalohany io. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 15 juillet 2020 19:24
    • Tahirin-tsary fampiaingoana

    Secren Antsiranana: Manao « service minimum »

    Ho fanajana ireo fepetra fisorohana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao dia nanapa-kevitra ny mpitantana ny orinasa Secren Antsiranana fa handefa « congé payé » ny ankamaroan’ny mpiasa ary hiroso amin’ny « service minimum » manomboka rahampitso. Ampiharina avokoa ireo fepetra ara-pahasalamana, arotava, fanadiovana matetika ny tanana, fakana maripàna ny mpiasa isaky ny miditra miasa, fanadiovana ny toeram-piasana, famendrahana fanafody. Raha 700 ireo mpiasa ankehitriny, dia ny 200 ihany sisa no manao ny « service minimum » Misy sambo malagasy iray, AMORY, amboarina ao amin’izao.    
    Lire la suite ...
    • mercredi, 15 juillet 2020 08:55

    Lavanila: Hisokatra anio ny taom-piotazana saika manerana ny Nosy

    Faritra miisa sivy no mamokatra lavanila eto Madagasikara. Saika amin’ity 15 jolay ity avokoa no hisokatra ny taom-piotazana amin’ireo faritra ireo araka ny voafaritra amin’ny Didim-pitondrana iraisan’ny ministera laharana faha-9734/2020 nivoaka ny 20 may 2020, niarahan’ny ministeran’ny Fambolena sy fiompiana ary ny jono miaraka tamin’ny ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. Voakasik’io Didim-pitondrana io ny Faritra Alaotra Mangoro, Analanjirofo (littoral), Atsimo Atsinanana, Atsinanana, DIANA (haut Sambirano), SAVA (littoral), Vatovavy Fitovinany ary Sofia (Befandriana/Bealanana/Mandritsara) zone basse.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 08 juillet 2020 10:40

    Taom-piotazana lavanila: Tsy miova ny 15 jolay hisokafany ho an’Analanjirofo

    Nangataka ireo Ben’ny tanàna maro mba haroso ny 8 jolay 2020 ny hisokafan’ny taom-piotazana lavanila amin’ny manamorona ny morontsiraka na « zone littorale » any Analanjirofo, tsy miova fa notazomina ny datin’ny 15 jolay 2020 araka ny voafaritra amin’ny didim-pitondrana iraisan’ny ministera laharana faha-9734 tamin’ny 20 may 2020 navoakan’ny ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, niaraka tamin’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 05 juillet 2020 15:50
    • Sary nomena

    Faritra Atsinanana: Tetik’asa AGRICOOP

    Tafiditra ao anatin'ny tanjona ifantohan’ny faritra Atsinanana amin’ity taom-piasana 2020 ny sehatry ny fambolena. Ny tetik’asa AGRICOOP no anisan’ny lohalaharana amin’ny fameloman’aina ny seha-pamokarana BIOLOJIKA. Vina sy fanamby lehibe no apetraky ny faritra mirahavavy NORMANDIE (Frantsa) sy ATSINANANA, mametraka drafi-piarahamiasa anatin’ny tontolon’ny COPERATION DECENTRALISEE. Singa ihany ny AGRICOOP raha ny sehatry ny fampiroboroboana ny fambolena anatin’ity seha-piarahamiasan’ny faritra roa tonta no resahina.Ny tanjon’ny tetik’asa AGRICOOP, raha fintinina, dia ny fampivoarana ny famokarana, famarotana ary fanondranana ny voankazo (fruits) sy ny hanitra (épices) vokarina ato anatin’ny faritra Atsinanana, mba hahazo vahana izany eo amin’ny sehatry ny « Commerce Equitable ».
    Lire la suite ...
Page 3 sur 68