Economie

    • lundi, 17 août 2020 13:51
    • Sary nomena

    Faritra ATSINANANA: Fametrahana « PEPINIERE AGRICOLE » isaky ny Distrika

    Fanambin’ny ekipan’ny Governora RAFIDISON Richard Théodore ny hametrahana « PEPINIERE AGRICOLE » isaky ny Distrika manerana ny Faritra Atsinanana. Ilaina tokoa mantsy izany amin’ny fanamby lehibe hanaparitaka voly avotra sy voly fanondrana isan-karazany sy hampitomboana ny velaran-tany voavoly. Manomboka tsikelikely izany, ny DRAEP Atsinanana sy ny Sampana isaky ny Distrika koa moa efa nanomboka izany rahateo.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 13 août 2020 16:42

    2021: Tombanana hahatratra hatramin’ny 4,1% ny fitombon’ny harinkarena faobe

    Heverina hahatratra hatramin’ny 4,1% ny fitombon’ny harinkarena faobe miainga avy amin’ny fampiasam-bola ankapobeny izay heverina ho 22,6%.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 12 août 2020 16:17

    Famarotana entana azo hanina: Mila fahazoan-dalana avokoa

    Namoaka naoty fampatsiahivana ireo lalàna misy ny ministeran'ny indostria, ny varotra ary ny asa tanana, tamin'ny 10 aogositra 2020, fa ireo mpanafatra entana azo hanina, na ireo mpamokatra eto an-toerana dia tsy mahazo mivarotra ireo entana azo hanina raha tsy nahazo fahazoan-dalana avy amin'ny sampan-draharahan'ny ministeran'ny varotra eny anivon'ny Faritra isan-tokony. Voakasik'izany ihany koa ireo mpampongady sy mpanelanelana izay raisina ho tompon'antoka ihany koa raha mivarotra entana azo hanina tsy nahazoana fahazoan-dalana mialoha. Ireo entana rehetra azo hanina tsy manana izay fahazoan-dalana hamidy izay dia giazina avy hatrany, ary esorina eny amin'ny tsena.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 11 août 2020 19:09
    • Sary nindramina

    Tohana ho an’ny fizahantany: Tena adino tanteraka i Ranohira Isalo

    Toerana manana ny lazany amin’ny fizahantany eto Madagasikara i Isalo, ao amin’ny Kaominina Ranohira, Faritra Ihorombe. Toerana faharoa mahasarika mpizahatany betsaka aorian’i Nosy-Be izy. Voadona mafy tao anatin’izao fahamehana ara-pahasalamana noho ny valanaretina coronavirus izao ny fizahantany ao Isalo. Mahatsiaro tena adino tanteraka ity faritra ity sy ireo mpisehatra ara-pizahantany ao an-toerana.
    Lire la suite ...
    • lundi, 10 août 2020 16:01
    • Sary nindramina

    Nosy Be: Hisokatra amin'ny fiandohan’ny volana oktobra ny fizahantany

    Nohamafisin’ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ny Televiziona Malagasy omaly fa hisokatra amin'ny fiandohan’ny volana oktobra ny fizahantany ao Nosy Be. Afaka mandray vahiny ity tanànan’ny fizahantany ity, saingy voarara ho azy ireo kosa ny mivoaka an’io faritra io. Miomana amin'ny fomba hanaovana ny fanentanana amin'io hisokafan'ny zotram-piaramanidina hampifandray an'i Nosy Be amin'ny any ivelany ny mpiasan’ny serasera ao an-toerana ny zoma lasa teo, mampiray feo sy hiaraka hanao fanentanana mba hahalalan’ny mponina ny zava-misy sy ny tokony hatao.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 10 août 2020 15:59
    • Sary nomena

    Faritra Atsinanana, Distrikan'i Brickaville: Miroso ireo tetikasam-pampandrosoana maroloko

    Na dia anaty hamehana ara-pahasalamana aza dia miroso ireo tetikasam-pampandrosoana maroloko, na ireo tanterahin'ny Fitondram-panjakana mivantana amin'ny alalan'ireo "projets Présidentiels", na ny tanterahin'ireo Departemantan'ny Minisitera samihafa, na koa ny tanterahin'ny ekipa tarihin'ny Governora RAFIDISON Richard Théodore amin'ny volan'ny Faritra madiodio. 1. Anisan'ny zava-bita tatoato: Lycée Technique ao Brickaville; BAC ao Andavakimena; manomboka mamokatra siramamy ny orin'asa SIRAMA ao Maromamy; fotodrafitr'asa fanamboarana siramamy gasy ao Vohitranivona; biraon'ny Kaominina Ranomafana; maro ireo zava-bita sy fampivondronana notanterahin'ireo "Projets-Programmes" toy ny PROSPERER, FORMAPROD, CASEF teo amin'ny sehatry ny fambolena sy fiompiana ary fananan-tany, efa miasa ary voafefy tsara ny tsena lehibe...
    Lire la suite ...
    • lundi, 10 août 2020 12:32
    • Sary nindramina

    Zimbabwe: Hanontona 500 tapitrisa dolara hanaingana indray ny fizahantany

    Voadona mafy ny sehatry ny fizahantany tao Zimbabwe noho ny valanaretina coronavirus. Hanokana 500 tapitrisa dolara ny fanjakana ao an-toerana hanohanana io lalampihariana iray io. Isany mampalaza sy misarika mpizahatany any Zimbabwe ny « Chutes Victoria ».  
    Lire la suite ...
    • samedi, 01 août 2020 08:25
    • Sary nomena

    Faritra Atsinanana: Fizahan-tany

    Nanao fitsidihana ny Canal des Pangalanes tapany 20km miala an’i Toamasina mianatsimo, ny Governoran’ny Faritra Atsinanana RAFIDISON Richard Théodore sy ny Préfet RAZAFIARISON Jean Jugus ary ny Talem-paritra sy mpiara-miasa vitsivitsy. Ny Ben'ny tanànan'ny Kaominina ambanivohitra Amboditandroho ANDRIANARY Thierry Didier sy ny ekipany ary ny mpanao tolotra ara-pizahantany CHRISMIA TOURS/EDEN GARDEN no nitarika ny fitsidihana.
    Lire la suite ...
    • samedi, 01 août 2020 08:22
    • Photos fournies

    Nosy Be: Andry Rajoelina à l'écoute des opérateurs touristiques

    Le Président de la République Andry Rajoelina est revenu à Nosy-Be ce 30 juillet 2020 pour rencontrer les opérateurs économiques du secteur Tourisme. Ce secteur est touché de plein fouet par les mesures de restriction liées à la pandémie du Covid-19. Cette réunion était une occasion pour le Président Andry Rajoelina d'échanger directement avec les acteurs du tourisme sur la relance économique post Covid-19, et ce, en présence du Ministre des Transports, du Tourisme et de la Météorologie, du Ministre de l'Économie et des Finances, ainsi que de la Ministre du Travail, de l'Emploi, de la Fonction publique et des Lois sociales. D'emblée, le Président de la République a rappelé les objectifs fixés par l'État malagasy pour promouvoir l'industrie du Tourisme, à savoir : redynamiser le secteur, attirer les investisseurs, et exploiter l'écotourisme et le tourisme vert.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 31 juillet 2020 13:42
    • Sary: Faritra Atsinanana

    Toamasina: Nanao fitsidihana ny seranan-tsambo ny Governora

    Nikarakara fotoana manokana ny Fitaleavan’ny SPAT tarihin’Andriamatoa Tale Jeneraly AVELLIN Christian Eddy sy ny ekipany, nandraisana ireo tompon’andraiki-panjakana eto Toamasina, notarihin’ny Governora RAFIDISON Richard Théodore, ny Préfet-n’i Toamasina RAZAFIARISON Jean Jugus, ny Ben’ny Tanàna RAKOTONIRINA Nantenaina, ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Dokotera VAVY Céléstine, ny Lehiben’ny Komandy iraisam-paritry ny Zandarimariam-pirenena ny kolonely RABEMANANTSOA Josh. Izany hoe ireo tompon’andraikitra vao nandray andraikitra tamin’ity taona ity avokoa izy ireo.
    Lire la suite ...
Page 2 sur 68