Mety mahasoa anao : Ahoana ny fianarana teny frantsay na teny vahiny hafa

  • vendredi, 20 novembre 2020 10:01
  • Super User
  • Sary fampiaingona nindramina

Betsaka ny ilana teny vahiny, anisan'ny ianarantsika ny teny frantsay, ny teny angilisy.

Ny famakiana boky no hitako aingana indrindra.

Alefa tsikelikely, dia mora ianarana, aza manao traduction fa vakio fotsiny, mangalaha boky roman ngezangeza soratra ireny, dia vakio, na tsy azo aza dia tohizo, aza maka dictionnaire firy aloha. Ho hitanao fa ho ainao tsy ela. Izay teny matetika miverimberina nefa tsy azo no akana dictionnaire français français raha mianatra teny frantsay, fa aza maka dictionaire français malagasy. Raha misy teny tsy azo ao anatin'ilay fanazavana dictionnaire, dia jerea ao ihany koa ny dikany.

Ny teny angilisy ny ahy no misy blocage vokatr'ilay traumatisme verbe irregulier nasaina nadika 1000 fois.
Fa ny fanaoko, dia mandefa télé na radio CNN na izay miteny angilisy, dia avelako eo, dia iny no mandalo amin'ny masoko sy henon'ny sofiko mandram-pariva ny andro, ny soratra malaky haiko fa ny accent amerikanina no sarotsarotra.

Efa nataoko ilay fianarana amin'ny CD sy K7 fa tsy ampy olona miresaka teny angilisy dia mora adino, fa ny soratra no tsy adino.

Ny teny sinoa hitako tsara hianarana ihany koa ho an'ny tanora, misy sampana fampianarana izany eny Ankatso na amin'ireny centre culturel chinois ireny.

Tenin'ilay nampianatra langue anay ny hoe, ataovy toy ny zaza hoy izy ianao, esory ny hevitra efa misy aminao, fa dia raiso tsy misy dikan-teny.

Mirary soa e.
Ny I love you aloha tsy adino mandrakizay hihii

Patrick

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.