Zava-kanto: Nitondra fanazavana ny ministeran'ny serasera mahakasika ireo hira nasaina nesorina

  • mercredi, 07 octobre 2020 20:51
  • Njaka
  • Sary Njaka

Nampiantso mpanao gazety teny amin’ny tranombokim-pirenena ny teo anivon’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin’ny alalan’ny Tale jeneralin'ny Serasera mpisolo-toerana sy ny tale jeneralin’ny kolontsaina, mahakasika ireo hira nasaina nesorina tamin’ny hainoaman-jery misokatra ho an’ny besinimaro.

Hira telo hatreto no nesorina nanomboka ny taona 2019.

Nanao antso avo izy ireo ho fanentanana sy fampatsiahivana ho amin’ny fandraisan’andraikitry ny mpanakanto amin’ny fanabeazana ny fiaraha-monina mba tsy hiaotra amin’ny mamohafady amin’ny fiaraha-monina amin’ny famoronana ny kanto.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.