FLM - Tobilehibe Ankaramalaza: Nodimandry ny Tonia, Andreas Richard Tsitohafison

  • samedi, 25 juillet 2020 10:59
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nodimandry ny Zoma 24 Jolay 2020 tamin’ny 10 ora alina Atoa Andreas Richard, Tonian’ny Tobilehibe Ankaramalaza.

Andraikitra lehibe samihafa no efa notanany teo amin'ny sahan’ny Fiangonana Loterana Malagasy na FLM. Efa Mpitahiry volan’ny FLM izy taloha, Talen’ny SALFA teo aloha efa nisotro ronono ihany koa izy. Efa filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny SALAMA.

Mpiandry andiany Marina (1981) i Andreas Richard Tsitohafison. Vao avy nanao ny fandaminana momba ny fankalazana ny Isan-taona faha 79 ny Tobilehibe Ankaramalaza tao amin’ny Toby Betesda Ambohibao Antananarivo, tamin’ny alalan’ny Facebook, izy no izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Raha ny heno dia hypoglycémie no nahafaty azy.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.