Zoto: Nodimandry androany teto Mahajanga i Alphonsine vadiny

  • lundi, 22 juin 2020 18:25
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Fahafatesana no nahafantarana sy nanaitra ny mponin’i Mahajanga fa tonga teto an-drenivohitr’i Boeny ry Zoto, ilay fianakavina dimy mianaka nanao dia an-tongotra mihodidina an’i Madagasikara. Nindaosin’ny fahafatesana androany i Alphonsine vadin’i Zoto, rehefa nialana nenina notsaboina tao amin’ny hopitalibe Androva.

Ny sabotsy 20 jona 2020 teo izy ireo no tonga teto an-drenivohitry ny faritra Boeny. Harerahana no voalaza fa nahazo an’ i Alphonsine, ka nidirany hopitaly.

Fianakaviana nalaza ary nandrandraina sy nandrasan’ny olona tamin’ny tanàna maro ny fandalovan’izy ireo. Nanaitra ihany hoe: nangingina ny fidirany teto Mahajanga. Tsy nahandry ny valin’ny fitiliana Covid-19, natao azy, ireto fianakaviana ireto tamin’ny fialany tao Antananarivo niazo ny lalam-pirenena faha-4.

Namela lehilahy mananontena sy kamboty telo mirahalahy, 7, 11 ary 13 taona izy no izao nodimandry izao. Hiala eto Mahajanga ny talata 23 jona ny razana, hoentina any Manakara toerana handevenana azy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.