Mpanakanto: Nodimandry tampoka i Sefo Nonoh, Tarika Johary

  • dimanche, 17 mai 2020 14:25
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Maloka ny tontolon’ny kanto malagasy. Nodimandry tampoka tamin’ny zoma 15 may 2020 i Ramamonjison Nirina Bruno na i Sefo Nonoh. Fijanon’ny fo no voalaza fa nahazo azy. Ny atoandro izy no tsy salama, nentina namonjy hopitaly saingy tsy tana ny ainy.

Mpitendry gitara, indrindra ny gitara beso, i Sefo Nonoh. Isany mpikambana mpamorona ny tarika Johary izy. Mitendry amin'ny tarika maromaro ihany koa. Izy rahateo olona tsotra, tia namana.

Namela mananontena sy kamboty mianadahy izy izao nodimandry izao.

(Jereo sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.