Dadah (Mahaleo): Hiaretan-tory ao amin’ny Palais des sports amin’ny alarobia

  • lundi, 04 novembre 2019 12:07
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nampahafantatra ny fandaharam-potoana ao amin’ny pejy facebook an'ny tarika Mahaleo, i Charles sy Bekoto ary Dama ao amin’ny tarika Mahaleo amin’ny fanomezam-boninahitra farany ho an’i Andrianabela Rabekoto na Dadah, mpikambana tao amin’ny tarika, izay nodimandry omaly alahady 3 novambra 2019.

Ao an-tranony ao Tsarasaotra-Antsirabe ny razana no vangiana ity alatsinainy 4 novambra ity sy ny talata 5 novambra.

Hiakatra aty Antananarivo ny nofomangatsiaka ny alarobia 6 novambra, ary ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny famangiana sy alim-bavaka.

Mody an-tanindrazany any Mandrosoa Distrikan’i Betafo, toerana handevenana azy i Dadah ny Alakamisy 7 novambra 2019.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.