Amerika : Tsy hanatrika ny fianianan'i Joe Biden i Donald Trump

  • samedi, 09 janvier 2021 10:23
  • Tigre
  • Sary nindramina

Taorian'ny fananihana ny lapan'ny Kongresy, izay ny filoha am-perinasa ankehitriny, Donald Trump no nanentana ireo mpomba azy haka ny toerana ivon'ny fahefana any Amerika, dia nanomboka nisitaka taminy ireo olom-boafidy Rapoblikanina, mandeha ihany koa ny fanangonan-tsonia ny hanalana azy tsy ho filoha amerikanina, na dia andro vitsy aza sisa no hananany izany, efa miaro ny rafitra fandefasana ny baomba atomika ihany koa ireo rafi-miaramila, sao misy fikasana hanao izany i Donald Trump amin'ny ireo firenana hafa.

Misy ihany koa ireo paika ara-miaramila efa mipetraka raha sanatria midongy tsy mety hiala ny Maison Blanche ny Filoha ankehitriny.

Notapahan'ny Facebook sy Twitter ny pejin'i Donald Trump, sy ny pejin'ny Filoha Amerikanina.
Google ihany koa dia nanambara ny hanala ireo serasera mitarika ny olona amin'ny fifandonana izay ataon'ny mpomba an'i Donald Trump.

Nanambara anefa i Donald Trump fa tsy hanatrika ny fianianan'i Joe Biden, ary mamela ny hirosoana amin'ny fifandimbiasan-toerana.
Nanamafy i Donald Trump, fa tsy azo ampangina izy sy ireo mpomba azy.

Ny alarobia 20 janoary izao no atao ny fianianan'ny filoha amerikanina vaovao, Joe Biden, fianianana arahin-davitra.
Tsy misy fiantraikany eo anatrehan'ny lalàna amerikanina moa ny tsy fanatrehan'ny filoha teo aloha ny fianianan'ilay filoha vaovao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.