Covid-19 : Miverina mihiboka i Angletera

  • mardi, 05 janvier 2021 11:23
  • Tigre
  • Sary nindramina

Nanao fanambaràna ny Praiminisitra angilisy Boris Johnson omaly alatsinainy 04 janoary, manoloana ny fiakatry ny fifindran'ny valanaretina, niova hery, Covid-19 fa miverina mihiboka tanteraka i Angletera manomboka ny alarobia 6 janoary manomboka amin'ny 12 ora alina sy 1 minitra, ary izany dia hatramin'ny tapaky ny volana febroary raha feno ny fepetra ahafahana miverina mivoaka ny trano.

Mikatona avokoa ny sekoly. Ireo feno 70 taona dia mitsindrona vakisiny avokoa, vakisiny roa novokarin'ny Pfizer/BioNTech sy AstraZeneca/Oxford.

Nahatratra 27 000 tao anatin'ny herinandro farany teo ireo marary niditra hopitaly tany Angletera, izay nahitana fiakarana 40% be izao, raha oharina tamin'ilay andihany voalohany iny.

75 000 no efa matin'ity aretina ity any Angletera hatramin'ny fiandohan'ity krizy ara-pahasalamana ity, izay mametraka an'i Angletera ho lohalaharana ao Eoropa raha ny fahavoazana nisy. Ary ankehitriny dia 50 000 isan'andro no tratran'ny aretina.

Marihina fa niova nihanatanjaka ity Covid-19 ity amin'izao, ary tena mora mianaka 50-70% avo heny noho ilay teo aloha.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.