Tom Cruise : Tonga miala sasatra ao amin'ny Nosy Ankao hatry ny omaly

  • lundi, 21 décembre 2020 11:35
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Miala sasatra ao amin'ny Nosy Ankao i Thomas Cruise na Tom Cruise, anarana ahafantarana azy eo amin'ny tontolon'ny sarimihetsika.

Ny omaly alahady 20 desambra 2020 atoandro no nigadona tao amin'ny seranam-piaramanidina Antsiranana ny fiaramanidina manokana "jet privé"an'ny kaompania Avejet nitondra azy sy ireo namany miisa folo, miampy helikôptera roa.

Avy any Caire Ejipta izy ireo no tonga tao Antsiranana avy eo niazo ny Nosy Ankao.
Nandalo fitsirihana ara-pahasalamana avokoa izy ireo teo ampahatongavana tao Antsiranana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.