Governora : Sambany nisy vehivavy voatendry, ny Faritra Betsiboka sisa tsy manana
- jeudi, 12 novembre 2020 09:50
- Zakaria
- Sary nindramina
Nisy fanendrena Governoran’ny Faritra nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 11 novambra 2020. Telo no voatendry, ka vehivavy ny roa amin’ireo, dia Ramatoa Mamiarisoa Aline, voatendry ho Governoran’Amoron’i Mania sy Ramatoa Nomenjanahary André Tafita Sareine, izay voatendry ho Governoran’Ihorombe.
Sambany no nisy fanendrena vehivavy ho Governoran’ny Faritra.
Atoa Ratsitohara Nerarivony Patrick, kosa no voatendry ho Governoran’i Melaky.
Faritra miisa 21 izany izao no efa manana Governora voatendry hitarika ny asa fampandrosoana eny amin’ny Faritra nanendrena azy ireo avy, fanatanterahana ny IEM izay vinan’ny filoha Andry Rajoelina.
Ny Faritra Betsiboka sisa tavela tsy manana Governora voatendry.
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
View the embedded image gallery online at:
http://gasypatriote.com/index.php/a-la-une/item/24950-governora-sambany-nisy-vehivavy-voatendry,-ny-faritra-betsiboka-sisa-tsy-manana.html#sigProGalleria260fe88d99
http://gasypatriote.com/index.php/a-la-une/item/24950-governora-sambany-nisy-vehivavy-voatendry,-ny-faritra-betsiboka-sisa-tsy-manana.html#sigProGalleria260fe88d99
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.