Pr Stéphane Ralandison : Lasa niasa any ivelan’i Madagasikara

  • mardi, 10 novembre 2020 19:06
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary nindramina

Olona isany nanamarika ny vanim-potoana nisian’ny valanaretina Coronavirus teto Madagasikara i Pr Stéphane Ralandison.

Mpitsabo, mpiasam-panjakana, Sojaben’ny Fakioltean’ny sampana fitsaboana Toamasina, ary efa talen’ny Hopitaly manarapenitra Morafeno Toamasina.

Anisany ny nanda ny fampiasana ny tambavy CVO i Pr Ralandison Stéphane noho ny tsy fahafantarana mazava ny singa ao anatiny. Namoaka lahatsoratra lava izy mikasika izany, tamin’ny volana aprily 2020.

Voantso nanaovana fanadihadiana teny amin’ny sampana heloka be vava an'ny Zandary eny amoron-dranomasina Toamasina i Pr Ralandison Stéphan taorian’ny fahafatesana dokotera lahy iray, voalaza fa maty nananton-tena tao amin'ny Hopitaly Morafeno nitsaboana azy.

Nirodorodo teny amin’ny tobin’ny Zandary nanaovana fanadihadiana azy ireo dokotera marobe sy mpiasan'ny fahasalamana notarihan'ny Filohan'ny CROM (Conseil Régional de l'Ordre des Médecins) sy ny filohan'ny AMELITo (Association des médecins libres Toamasina), nanohitra ny fikasana hitazona an’ity Profesora, izay sangany tamin’ny andiany 2016 nahazoany ny “Agrégation” amin’ny fitsaboana.

Nakarina taty Antananarivo i Pr Ralandison Stéphane, voalaza fa ho fiarovana azy. Nangingina teny ny raharaha taorian’izay. Re ankehitriny fa lasa niasa any ivelan’i Madagasikara ity zanak’i Mangoro ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.