Nandritra ny lanonana tao Anatirova : Nihilana ny Andriana Zafimbelo Sylvestre, isan’ireo nasaina

  • vendredi, 06 novembre 2020 21:49
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nitambotsotra tampoka ary nidaraboka i Zafimbelo Ellysson Sylvestre Gervais teo ampiandrasana ny fahatongavan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teny Anatirova, androany, hitokana sy hanolotra ireo Lapa nasiam-panarenana.

Nifamonjena nentina haingana tao amin’ny hopitaly Befelanana izy, saingy tsy tana ny ainy. Fijanonan’ny fo tampoka, no tombanana ho nitarika ny fahafatesany.

Andriana, solontenan’ny Mpanjaka Zafisoro avy any Farafangana hanotrona sy hanome voninahitra ny lanonana tao Anatirova androany i Zafimbelo Sylvestre na Vévé.

Manamboninahitra nivoaka tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe izy. Mpikambana CRN (Comité pour la Réconciliation Nationale) ary 63 taona eo izy, izao niamboho izao.

Ny sabotsy 7 novambra maraina no hiala eto Antananarivo ny nofo mangatsiakany, entina hiazo ny Kaominina Mahafasa Centre, Distrikan’i Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana hanafenana azy.

Mandray an-tanana ny fanatanterahana izany ny fanjakana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.