Faritra Bongolava: Voatendry ho Governora ny Jeneraly Ramiaramanana Joseph

  • jeudi, 06 août 2020 14:38
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Voatendry ho Governoran’ny Faritra Bongolava nandritra ny filankevitry ny minisitra, omaly 05 aogositra 2020, ny Jeneraly Ramiaramanana Joseph.

Efa PDS ny tanànan’Antananarivo ity farany, efa nitazona andraikitra ambony samihafa teo anivon’ny ministeran’ny fanajariana ny tany ihany koa.

Ny Jeneraly Ramiaramanana Joseph no Jeneraly fahaefatra notendrena ho Governoran’ny Faritra taorian’ny Jeneraly Andriamanana Solofonirina Maherizo (Itasy), Jeneraly Lylyson René de Rolland Urbain (Sofia) ary ny Jeneraly Razafitsotra Lucien Laurel (Vatovavy Fitovinany).

Lehilahy avokoa ireo Governoran’ny Faritra miisa 18 voatendry hatreto. Miandry ny fanendrena ny Governorany ny Faritra Amoron’i Mania, Betsiboka, Ihorombe ary Melaky.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.