SpaceX: Tafaverina ety an-tany ireo mpanamory sambon-danitra roa lahy

  • lundi, 03 août 2020 09:30
  • Tigre
  • Sary nindramina

Vato alatsaka avy eny amin'ny Station Spatiale Internationale, miala 408Km ambonin'ny tany i Doug Hurley sy Bob Behnken, rehefa avy nijanona 2 volana tao amin'ny zana-bolana azo hipetrahana iraisam-pirenena ISS.

Naharitra 30minitra ny fidinana tety an-tany, tamin'ny hafainganam-pandeha 28 000km/ora mandram-pisokatry ny helonaina lehibe 4, ka nidina tsimoramora 24km/ora sisa, ka nilatsaka tao anaty ranomasina akaikin'ny Floride, tsy lavitry ny toerana niaingany tamin'ny 30 may 2020.

Salama tsara izy mirahalahy ary dia hafaliana ny nandraisana azy ireo, satria sambany tamin'ny tantaran'ny fiakarana anabakabaka lavitra no nisy orinasa tsy miankina amin'ny fanjakana no nahavita izao fampakarana olombelona halavitry ny tany izao.

Misokatra ho an'ny fitsangatsanganana eny ambony halavitra ity andrana ity. Ny NASA, sampana amerikanina momba abakabaka halavitra, moa dia efa isan'ny mpanjifa maharitra ary nanokana vola be hanampiana ity orinasa amerikanina ity.

Tsy aharitra ela dia anainga indray ity sambon-danitra ity ka hitondra mpanamory 4, efa feno ny toerana, 60 000 000 dolara ny vidin'ny tapakila.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.