Razafintsalama Tojohasina: Maty amperin’asa tany Mali, teo amin’ny faha-26 taonany

  • jeudi, 23 juillet 2020 22:48
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Lavo ny marainan’ity alakamisy 23 jolay 2020 ity, nandritra ny fifandonana tamin’ireo vondrona mpampihorohoro mitam-piadiana any Mali, i Razafintsalama Tojohasina. Miaramila kilasy voalohany no galonan’ity farany, ao amin’ny 1er RHP (Régiment de Hussards Parachutistes) any Tarbes Frantsa izy.

Fiara nipoaka teo akaikin’ny fiara mifono vy nisy azy no nahavoa an’i Razafintsalama Tojohasina. Tsy maintsy natao fandidiana maika izy noho ny ratra be taminy, saingy nandritra ny fandidiana no tsy tana ny ainy.

26 taona i Razafintsalama Tojohasina izao nodimandry izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.