Air Madagascar - Jirama: Iza no naha faillite azy?

  • vendredi, 19 juin 2020 09:53
  • Super User
  • Sary nindramina

Teo ampahatongavana nitsena ireo fitaovana, anamboarana ozinina fanaovana fanafody, milanja 100tonnes avy any Allemagne sy Chine ny Filoha ny 18 jona 2020 no nanambara fa:

"Raha vao ny Malagasy no mitantana orinasa dia faillite foana ny orinasa, ohatra amin'izany ny Air Madagascar sy ny Jirama, ka ilaina ny fiaraha-miasa amin'ireo mpamatsy vola"

Herinandro alohan'ny anamarihina ny filazana fa niverina ny fahaleovantenam-pirenena, ary anentanana ny rehetra amin'ny ambompom-pirenena.

Ny fahaleovantena na ambompo-pirenena tsy midika fa tsy mila fiaraha-miasa amin'ny vahiny. Amin'izao andron'ny fanatontoloana izao, tsy misy afaka ny hiolonolona irery, isika rahateo Nosy.

Fa ny filazana kosa fa izay orinasam-panjakana notantanan'ny Malagasy dia banky ropotra avokoa, toa famafana ny tena zava-misy marina, ka ireo Malagasy nianatra mihitsy no atao tsinontsinona.

Adino ve, iza no nitsabaka tamin'ny fitantanan'i Air Madagascar, ka nividy ireo fiaramanidina Airbus poubelle 2 efa tsy ilain'ny compagnie rehetra io? Adino ve, iza no naka ny vola tao anatin'izany orinasa izany hamatsiana ireo resaka politika.

Toy izany koa ny Jirama, iza no tao amin'ny Filankevim-pitanana ny Jirama, adino ve fa natao tery rononon'adala ny Jirama, ka na efa ho tapitra aza ny ainy, sady tsy nomena vilona fa 'ndao ihany tsifina izay azo tsifina?

Adino ve, ny Solima sy ny fanodikodinana rehetra tao, ny Zeren, Ny Secren, Ny Sirama, ny Fiaro, ny BTM, ny BFV, ny Sonapar, na i Laniera fananan'ny Kaoperativa aza tapitra namidy amin'ny karana avokoa, ny FIFABE, ny FIMA sy FIBATA, sy ireo orinasam-panjakana maro. Ny CNAPS mbola misy fikasana ankehitriny ny haka ny vola ao.

Aoka kosa tsy ahilika aty amin'ny manapa-haizana Malagasy ny halatra sy kolikoly sy tsindry isan-karazany ataon'ny mpitondra nifandimby.

Manana andraikitra tsy afaka miala ireo nitantana satria izy ihany koa nanaiky nataon'ny mpitondra fitaovana, nefa mena ambanin'ny mena ihany koa izy, kanefa tsy nanam-pahendrena niala rehefa tsy nety taminy koa ny tsindry.

Iza no nivarotra varo-boba ny Paositra Malagasy, niaraka tamin'ny trano sy tany, iza no nivarotra ny Madarail, iza no nivarotra ny BFV sy BTM. Ary iza no nividy azy? Iza no tao amin'ny affaire Flamco, ny menaka sy ny détaxe rehetra? Iza no namarotra ny Salsa? Iza no namotika ny SOTEMA, ny VyMa?

Ajanoko eo, samy tompon'andraikitra amin'izao fahasimban'ny indostria eto Madagasikara izao ny rehetra, eny na ny mpifidy mbola mifidy ny mpitondra efa namotika sy nangalatra nifandimby teto amin'ny firenena aza.

Fotoana izao iraisan-kina fa tsy hifanome tsiny lava, ary aoka ny tena ambopom-pirenena marina no atao, fa raha ny fitiavana hiaraka miasa amin'ny vahiny no amotehana ny olona nianatra teto amin'ny firenena dia tsy fahaleovantena velively izany.

Patrick,
Nianatra teto Madagasikara, ary tsy mena mitahy amin'izay manam-pahaizana vahiny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.