Paositra Analakely: Basy mahery vaika tsara fono tao anaty gony hita tao anaty valindrihana

  • mercredi, 10 juin 2020 13:18
  • Zakaria
  • Sary: ZP

Mpiasa manao asa fanarenana ny trano fonenan’ny mpiasa ao amin’ny Paositra Malagasy etsy Analakely no nahatsikaritra ny fisian’ity gony jiafotsy nisy basy ity, omaly talata 9 jona 2020 tolakandro. Nampilaza tamin’ny lehibeny ireo mpiasa, ity farany indray no nampahafantatra ny zava-misy tamin’ny tompon'andraikitry ny asa eo anivon’ny Paositra Malagasy.

Basy AK 47 miaraka amin’ny tranombala sy bala miisa 6 sy basy carabine iray marika « Populaire » no hita tao, voatahiry tsara toy ny vao avy nampiasaina.

Nanokatra fanadihadiana mikasika ity raharaha ity ny Zandary avy ao amin’ny Brigady Tanà Ville.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.