Tetikasa « Tana Masoandro »: Afindra amina toerana hafa ny fanatanterahana azy

  • mardi, 09 juin 2020 14:43
  • Zakaria
  • Sary: Antenimierandoholona

Nivoitra io omaly alatsinainy 8 jona nandritra ny fiatrehan’i Zasy Michael Angelo, Minisitra Lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana eo anivon’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ireo Loholon’i Madagasikara, tao amin’ny Lapa maitso Anosy. Nilaza izy fa « nafindra amina toerana hafa ny fanatanterahana izany, izay mbola eo andalam-pitadiavana izany toerana izany amin’izao fotoana izao ».

Eo amin’ny lafiny fanamboarana tanàna vaovao dia nambaran’ny Minisitra Lefitra fa toeram-ponenana 50 000 isa no hoeritreretina hovitaina mandritra ny dimy taona.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.