Fianarantsoa: Lehilahy antitra iray nindaosin’ny fahafatesana tao amin’ny CHU Andrainjato

  • mercredi, 20 mai 2020 21:51
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Lehilahy iray no maty tao amin’ny hopitaly manarapenitra CHU Andrainjato androany alarobia 20 may 2020. Raha ny loharanom-baovao dia isan’ireo olona miisa 148 teny Iboaka miandry valim-pitiliana PCR izy.

Nitondra fanazavana ny Governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony, Razafindrafito Paupil io hariva io fa 70 taona eo ho eo ilay lehilahy nidaosin’ny fahafatesana teny amin’ny CHU Andrainjato, androany tamin’ny 8ora sy 45 minitra.

Nanipika mazava ny Governora fa « tsy olona notsaboina momba ny Coronavirus izy tao amin’io hopitaly io. Ny zanany lahy no narary notsaboina teny ary efa sitrana soamantsara ».

Raha ny fitantarana azo avy amin’ny fianakaviany dia mamo be ilay lehilahy omaly tolakandro nefa misy aretina mitaiza ihany koa, sohika na asthme, ka rehefa tsy nahatsiaro tena izy dia niantso ny CCO ny havany.

Tonga teny amin’ny toeram-ponenany ny BIS (Brigade d’intervention Spéciale) androany tamin’ny 1ora maraina ka rehefa hitan’izy ireo fa sempotra ilay olona no sady tsy mahatsiaro tena dia nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly manarapenitra CHU Andrainjato.

Niezaka nitsabo azy ny Dokotera fa tsy tana intsony ny ainy.

Manoloana izany anefa dia noraisina hatrany ny fepetra hiadivana amin’ny Covid-19 ity ka natao ny « test PCR » izay nalefa any Antananarivo ny hariva teo. Andrasana ny valin’io fitiliana io.

Manentana hatrany ny Governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony ny mba hitandreman’ny rehetra sy hanarahana ny toromarika rehetra napetraka.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.