A la Une

    • mercredi, 05 février 2020 08:37
    • Zakaria
    • Tahirin-tsary Gasypatriote

    Ny Rado Rafalimanana: Namoahana IST, tsy mahazo mivoaka an’i Madagasikara

    Nilatsaka, omaly, ny didy fandraràna tsy fahazoana mivoaka ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara miantefa amin’i Ny Rado Rafalimanana, filoha Tale jeneralin’ny « Ny Rado Group », araka ny taratasy navoakan’ny Procureur Général eo anivon’ny Fitsarana Ambony Antananarivo.    
    Lire la suite ...
    • dimanche, 02 février 2020 16:40
    • Tigre
    • Sary nindramina

    Asa fanaovan-gazety: Nodimandry i Jacob Andriambelo

    Mpanao gazety zokiolona i Jacob Andriambelo, ikoizana amin’ny asa soratra izy fahavelony. Efa tomponandraikitra tao amin’ny gazety « Le Courrier de Madagascar », « Journal de Madagascar », « Madagascar Matin ». Efa nitondra ny traikefany tao amin’ny gazety Tia Tanindrazana ihany koa.    
    Lire la suite ...
    • jeudi, 30 janvier 2020 08:48
    • Zakaria

    Fanendrena ireo mpikambana ao amin'ny Governamanta

    DIDIM-PANJAKANA LAHARANA FAHA 2020 -70 ROAPOLO SY ROA ARIVO TSIPIKA FITOPOLO Anendrena ireo mpikambana ao amin'ny Governamanta
    Lire la suite ...
    • lundi, 27 janvier 2020 20:44
    • Tigre
    • Sary nindramina

    Rakotoson Jobily: Nodimandry teo amin'ny faha 95 taonany

    Nodimandry androany alatsinainy 27 janoary 2020, tamin'ny 5ora maraina, teny amin'ny hopitaly HJRA i Rakotoson Jobily.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 janvier 2020 13:38
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Finoana Anglikana: Nodimandry i Mgr Rémi Joseph Rabenirina, Archevêque émérite

    Nodimandry ny alin’ny 22 Janoary 2020 ny Monseigneur Rémi Joseph Rabenirina, Archevêque Emérite. Nanao fampahafantarana sy fanambarana io fahafatesana io tamin’ny anaran’ny fiangonana ary nampahery ny fianakavian’ny maty, ny Mgr Samoela Jaona Ranarivelo, filohan’ny Eklesia Episkopaly Malagasy.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 19 janvier 2020 14:20
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Andry Rajoelina: Herintaona anio ny nandraisany ny fahefana feno maha filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara

    Notanterahina teo amin’ny Kianjan’i Mahamasina ny 19 janoary 2019 ny lanonana ara-pitsarana nandraisan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny fihanianan’i Andry Nirina Rajoelina, ka nandraisany ny fahefana feno maha filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy nanomezana azy ireo mari-pamantarana hita maso manamarika izany, dia ny samboady sy ny mariboninahi-pirenena ambony indrindra mifanaraka amin’izany. Nianiana izy tamin’io fa hanaja toy ny anakandriamaso ny Lalampanorenana sy ny lalam-panjakana, hikatsaka ny soa ho an'ny vahoaka Malagasy. Hanokana ny heriny rehetra hiarovana sy hanamafisana ny firaisam-pirenena sy ny zon'olombelona.
    Lire la suite ...
    • samedi, 18 janvier 2020 17:18
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Rivo Rakotovao: “Aleo ny marina no lazaina !”

    Nisy andiana senatera notarihin’ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona faritany Antananarivo, Andriambololona Mananjara nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly, manankiana sy manameloka ny filohan’ity andrimpanjakana ity ho mampifangaro ny fitantanana ny antoko sy ny Antenimierandoholona, ary koa nilaza fa tsy nifampierana ny fametrahana fitoriana eny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny tsy nampandalovana teny amin’ny Parlemanta mba ho ankatoavina ireo didy hitsivolana rehetra noraisin’ny filohan’ny Repoblika nandritra ny fotoana tsy nampisy Antenimieram-pirenena teo anelanelan’ny volana febroary 2019 sy jolay 2019.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 16 janvier 2020 16:45
    • Njaka
    • Sary Njaka

    Asa fanaovan-gazety: Mampiaka-peo ny Holafitry ny mpanao gazety

    Namory mpanao gazety teny amin'ny Bon Accueil Ambatonakanga ny Holafitry ny mpanao gazety, izay manameloka ny fanapahan-kevitra noraisin'ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina, toy ny fandroahana sy fanoloana mpiasa teo anivon'ny ORTM, ny fanaovana fisavana tranon'ny mpanao gazety tao amin'ny televizionina IBC, ny fanaovana ramatahora mpanao gazety, ary ny fanaovana affectation ny sekretera jeneralin'ny Holafitry ny mpanao gazety.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 15 janvier 2020 20:01
    • Anonymous
    • Photo Net

    Arrivisme et « Be zesta »

    Un an et moins de trois semaines de cela, quelques unes de nos représentations à l’extérieur commencèrent à recevoir de nouveaux personnels nommés par la nouvelle administration Rajoelina afin de la faire connaître au niveau international et surtout transmettre au monde sa politique de l’Initiative Emergence Madagascar ou IEM.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 12 janvier 2020 15:11
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Harifidy Ramanandraibe: Mitantara ny nisamborana azy sy ny nisavana ny tranony

    Tranga nanamarika ny fiparitaham-baovao tamin’ny facebook teto Madagasikara androany alahady 12 janoary 2020, ny fisamborana narahina fisavana ny trano fonenan’i Harifidy Ramanandraibe, mpanao gazety mpanao famakafakana ao amin’ny haino aman-jery tsy miankina i-BC eto an-drenivohitra, teny Nanisana.
    Lire la suite ...
Page 10 sur 107