Ny fanabeazana no hany apinga ahafahana miady amin’ny fahantrana, ny teknolojia no fanoitra

  • vendredi, 26 juillet 2019 11:31
  • Zakaria

Matetika isika mifampanontany hoe, dia nahoana i Madagasikara no gisitra lava toy izao, nahoana ny Renivohi-paritany sy ny Renivohim-pirenena no maloto, tsy mivoatra, lasa tobi-pamaharan'ny tsy fandriam-pahalemana, nefa efa mankarenin-tsofina ny mihaino sy mandre fa manana olona sy harena maro isika.

Nisy namana Malagasy vao tonga eto Madagasikara, avy any Etats-Unis no niteny tamiko, fa toy ny basy omena lalaovin-jaza ny teknolojia omena ny "Malagasy sauvage".

Somary tohina aho tamin'ilay teny mahitsy be. Nanazava izy, jereo hoy izy, fa ny Malagasy dia manana phone na finday anisan'ny raitra, manana fiara tsara tarehy, misy GPS, manana ordinatera, manana internet, manana drone, sy ny teknolojia maro hafa.

Nefa hoy hatrany ity namana Malagasy ity, ampidinina ny vitre électrique n'ny fiara, dia atsipy eny amin'ny arabe ny boite jus de fruit efa lany. Miampita eny amin'izay tiany iampitana ny olona, manoloana ireo fiara tsara sy maro loko eto an-tanàna. Anaovana selfie miboridana ny phone sy ny facebook.
Mandrehoka sy manisin-delo amin'ny arabe, nefa mamoaka mouchoir ihany avy eo amafana tanana avy nanisinan-delo.

Tsy olona "sauvage" ve izany hoy izy, tsy misy manaraka lamina, samy mipipi eny amin'izay ahitany rirany eny, samy manary fako amin'izay tiany, asiana trottoir, aty amin'ny arabe hatrany no aleha, ny mpivarotra samy manao izay ataony, ny sarety mandeha amin'ny sens interdit, ny moto tsy lazaina intsony, ny fiara izay manara-dalàna no higagana, ny polisy ilaozany milalao téléphone, sady mody mikiririoka, nefa ny fiara mifanotona ao anaty rond-point.

Raha ho raisiko izay teny mety enjana nolazain'ity namana Malagasy mipetraka any Etats-Unis ity, izay sendra nandalo teto, dia mifototra amin'ny toe-tsaina avokoa izany rehetra izany.

Toe-tsaina izay volavolaina amin'ny alalan'ny fanabeazana sy fampianarana. Ary ametrahana lamina sy fampiharana ny lalàna tsy mitanila.

Raha tiana izany ny hanana arabe sy lalana tsara, dia mila manana sampam-pampianarana momba ny lalana isika, ary dia ampiasaina ireo tanora nianatra momba izany.

Raha tiana ny hanana fitaterana ara-dalàna, dia asiana fanabeazana sy fampianarana momba ny asa fitaterana. Fa tsy saofera na resevera "Sauvage" no hisahana ny asa fitateran'olona tokony hihaja.

Raha tiana ny hanana fahasalamana, dia omena ny toerany ny fampianarana ny mpitsabo sy ireo mpanampy mpitsabo.

Raha tiana ny hanana mpanao baolina, na Atleta mahay, dia mila fianarana sport.

Raha tiana ny hanana fandriam-pahalemana, dia mila olona tsara hofana amin'ny asa fampandrian-tany.

Raha tiana ny hanana mpandraharaha mahay, dia mila fampianarana momba ny fandraharahana ireo tanora.

Mety ilaza isika, fa efa misy sampam-pampianarana momba izany avokoa eto amintsika, fa ny fitaovana, ny fotodrafitrasa ary ny enti-manana no tsy ampy.

Tsy hanana fampianarana tsara anefa isika raha tsy manana mpampianatra mahay sy tsara hofana, izay ilana sekoly manokana momba izany, ilana karama sy fijerena manokana ireo mpampianatra sy mpanabe, na an-tsekoly, na any amin'ireny kilioba sy fikambanana manao fampianarana sy fanabeazana ireny, na miankina na tsy miankina amin'ny fanjakana.

Tsy tokony hisy mpampianatra sous-zone, na sokajy ambany, ka atao ECD, na atao FRAM, eny mbola misy aza amin'izao ny mpampianatra bénévole, tsy mandray karama akory fa dia izay foy no omena azy ireo.

Tokony hitovy tantana izy ireny, na ny fanofanana omena azy, na ny karama sy tombotsoa raisiny, na mpiasam-panjakana izy, na privé. Anjaran'ny fanjankana no manampy ireo privé, satria asa fanabeazana mitovy no atao ho an'ireo tanora.

Ampiarina ny fitovian'ny grille indiciaire ho an'ireo mpiasa-mpanjakana, fa tsy ny ministera n'ny fitatanam-bola ohatra, na ny mpiasan'ny ladoany, na ny inspecteur d’impôt, no lasa mpanefohefo anatin'ny fotoana fohy, nefa ny mpampianatra eny amin'ny oniversité efa hisotro ronono, mbola ilay kitapo kely tamin'ny telopolo taona lasa nihosona la craie no mbola entiny mandeha an-tongotra amin'ilay kiraro lany ila.

Atao ahoana tokoa moa no hieritreritra, fa vao katity kely dia asaina manala CEPE, ka izay tsy afaka 6e na fifaninana hiditra CEG dia miraraka, satria tsy manam-bola idirana sekoly tsy miankina intsony.

Ireo afaka BEPC indray, nefa tsy afaka 2nde, dia miraraka tsy tafiditra lycée, nefa ny sekoly andehanana tongotra 20km vao mahita azy?

Efa afaka Bac izao, mbola mila sivana sy fifaninana hafa indray amin'ireo sampam-pampianarana maro. Tsy resahina intsony ny kolikoly sy ny mahitahita amin'ireny fidirana sekoly ambony hisahana asam-panjakana ireny.

Iza no handray ireny tanora ireny rehefa tsy afaka anohy ny fianarany intsony izy? Hanana fahazotoana amin'izany ve izy?

Raha 10 tapitrisa no isan'ny tanora eto Madagasikara, ary 1,5 tapitrisa ireo tanora 15-19 taona, nefa 50 000 ihany no mianatra eny amin'ny anjerimanontolo na ny Université, ny 1 tapitrisa ambiny mandeha aiza?

Raha ny an-tontanisa 2018 no jerena dia

0-4 taona: 1 990 000
5-9 taona: 1 780 000
10-14 taona: 1 614 000
15-19 taona: 1 449 000
20-24 taona: 1 253 000
25-29 taona: 1 029 000
30-34 taona: 856 000
35-39 taona: 730 177
Mitotaly 10 701 177 ireo tanora latsaky ny 40 taona ireo.

Izay Malagasy mahay izay, no miaraka amin'ny teknolojia efa misy, dia hipetraka ny tena fampandrosoana, ka hamiratra ny isaky ny Kaominina, ny isaky ny Renivohi-paritany, eny ny Firenena iray manontolo.

Izay mpitondra na Ben'ny Tanàna mametraka avo ny fanabeazana, ny fampianarana ary ny teknolojia izany no afaka hiantoka ny tena fampandrosoana ny Firenena, ny Kaominina, sy ireo faritra rehetra eto Madagasikara.

Vitatsika io.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.