Fifidianana: Arabaina ny Filoham-pirenena vaovao Andry Nirina Rajoelina

  • mardi, 08 janvier 2019 17:32
  • Super User

Araka ny Didim-pitsarana tsy azo ivalozana navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, androany talata 08 janoary 2019, dia lany ho Filoham-pirenena vaovao ny Repoblika Malagasy Andriamatoa Andry Nirina Rajoelina.

Amin'ny maha tany tan-dalàna sy ny maha demokraty ny Antoko "Vitantsika io" dia manaja tanteraka izany Didim-pitsarana izany.

Miarahaba ary mirary soa ny Filoha vaovao, ahaleo halasana, ahavita ireo vina rehetra izay nifidianan'ny mpifidy maro an'isa azy.

Manentana ny Malagasy rehetra hifanome tanana hisian'ny Firaisankina sy ny Fihavanana eto amin'ity Nosy iaraha-manana ity.

Mirary soa
Patrick Raharimanana

Filohan'ny Antoko "Vitantsika io"

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.