Madagasikara: Ivotoeran'ny adin'ny firenena vaventy

  • dimanche, 06 janvier 2019 18:58
  • Super User

Isika Malagasy mihevitra foana fa raharaha tokantranontsika irery ity Firenena Malagasy ity amin'izao.

Ny fifidianana ho Filoham-pirenena hatreto, raha tsy ovaina io famatsiana ara-bolan'ny fikarakarana ny fifidianana, izay miankina tanteraka amin'ny vahiny, ny vola ampiasain'ny Kandida, izay mandeha hatrany amin'ny 1 000 miliara ariary, ampahefatry ny tetibolam-pirenena no ampiasain'ny kandida lehibe, dia ny vahiny hatrany izany no hibaiko ny fifidianana, ny vokam-pifidianana, ny fanapahana rehetra rehefa lany ilay kandida.

Tsy niafina ireo kandida milaza fa lehibe rehetra, ireo firenena manohana azy ireo, na ireo firenena lazainy akaiky azy.

Tsy ahagaga izany fa hisy ny fifandonan'ireo Firenena namatsy vola na ny andaniny, na ny ankilany.

Raha sokajiana dia hisy ny ady amin'ireo firenena tandrefana sy ireo firenena tatsinanana eto amintsika.

Na dia hilaza tahaka inona aza ny CENI sy ny HCC hoe mahaleo tena, dia tsy maintsy misy lanjany eo amin'ny fomba fiasa sy ny fanapahana raisiny io adin'ireo firenena lehibe ireo.

Tsy misy maharatsy ny fiarahana amin'ireo Firenena ireo akory izany, fa tsy tokony ho gaga isika ny amin'ny mety vokam-pifidianana, na ny mety ho fomba fiasan'izay ho lany eo, fa tsy maintsy hizotra mandeha amin'izay.

Safidy noraisintsika io tsy nanisy fetra ny vola ampiasain'ny kandida io, isika koa tia fety sy tia tolotoloran-javatra sy ny politikan'ataka.

Nahavarina kely fotsiny, hatrizay dia ny maraina misandratr'adro hatrany no nametrahana ny filoha, ny sainam-pirenena rahateo, dia manaraka ny fomba malagasy, tsy maintsy atsangana alohan'ny amin'ny 12 ora atoandro, nefa tamin'ity dia efa mandroron'andro vao apetraka ny Filoham-pirenena. Tsy resaka mijery andro akory izany, fa firenena Malagasy manana fomba amam-panao isika, tsy misy manome tso-drano andro mandrorona maty masoandro izany mihitsy ny faritra rehetra eto Madagasikara.

Ndeha atao indray hoe mbola tsy fotoanan'ny fianihanana na investiture io, fa filazana fotsiny ny didy sy vokam-pifidianana.

Amin'ny talata mandroron'andro izany no fotoana ahitantsika iza no firenena vahiny hibata ny amboara. Mety hisy no ho tohina hoe, izahay no nifidy ka ahoana, ianao nandatsa-bato fa ireo Firenena namatsy vola ny fifidianana sy ny kandida no mifidy.

Mirary soa
Patrick

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.