2019: Mirary soa antsika rehetra amin'izao taona vaovao izao

  • lundi, 31 décembre 2018 21:22
  • Super User

Maro ny zava-nitranga teto amin'ny Firenentsika iny taona 2018 iny.

Irariana ny hisian'ny filaminana, firaisan-kina eo amintsika Malagasy tsy ankanavaka. Tsy maintsy hiara-honina eto isika, tsy misy manana tombotsoa hisarahana.

Tsy misy mahavita tena irery, fa ny Malagasy rehetra na eto an-toerana, na any ivelany, ireo vahiny monina eto amintsika, mitambatra no ahafahantsika mampandroso ny Firenentsika.

Mahatsiaro manokana ireo tsy salama, indrindra ireo mitsabo tena any amin'ny hopitaly, na ireo miady amin'ny fahafatesana.
Matsiaro manokana ihany koa ireo Ray aman-dreny, indrindra ireo tsy misy miahy, ireo ankizy miady irery, ireo vehivavy sady lahy no vavy.

Mirary soa ny rehetra ho an'izao taona vaovao izao.

Bonne année à tous.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.