Halabato : Aoka hiaran'ny ny sazy izay nanao izany na iza na iza.

  • samedi, 29 décembre 2018 05:04
  • Super User
  • Sary nindramina

Hatramin'izay dia mitanisa fotsiny ny biraom-pifidianana nofoanana, misy safidin'olona amin'arivony nofoanana noho ny halabato.

Hatreto tsy re mihitsy hoe natao aiza ireo mpangala-bato, mba nisy sazy ve ? Sa dia mitovy amin'ny mpangalatra taolapaty sy lakolosy, basy, kidnapping, halatr'omby, tsy mety hita ny atidoha nikotrika ?

Raha tena tianareo ry CENI, ry HCC ny ametrahana fitokisana aminareo, dia ataovy ny plainte pénale an'ireny membre bureau de vote, ireny nanao hosoka liste électorale,  hosoka carte électorale,  hosoka karapanondro, hosoka bureau de vote fictif, hosoka bulletin unique, hosoka affiche sy ny hosoka marobe ireny.

Raha sanatria ka vokam-pifidianana fotsiny no avoaka fa tsy arahana fampanenjehana ireo nanao ny tsy mety, nefa ianareo manafoana ny safidin'ny olona, noho ilay hosoka izay hitanareo, dia toy ilay olona hita faty, fantatra ny namono, ka ilazana fotsiny ny fianakavian'ny maty hoe, aleveno ny havanareo ary mahaiza mihonona fa izay no lahatra.

Tsy misorona

Patrick

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.