Inona no dikan'izany Mégawatt ?

  • mardi, 11 décembre 2018 08:01
  • Super User
  • Sary nindramina Andekaleka

Voaresaka foana izy io raha vao miresaka jiro na herinaratra.

Mégawatt dia fanondroana ny tanjaky ny herinaratra (Unité de Puissance électrique).
Méga= 1 000 000
Méga Watt izany dia 1 000 000 Watt

Raha tsorina, ka maka ampoule 1 manana hazavana 100W, dia raha misy groupe na turbine mamokatra herinaratra 1 Mégawatt na 1 000 000 Watt, dia midika izany fa io groupe io dia afaka mandrehitra ampoule 100W miisa 10 000.

Andeha ho jeretsika ny fandaniana avo amin'ny tokatrano iray (Pic de Consomation maximale).

Tokatrano iray, misy efitra 3, lakozia 1, douche 1, wc 1.

Misy ampoule 50W isan'isany avy ireo.
Totalin'ny ampoule raha miaraka mirehitra avokoa dia 6 ampoules x 50W = 300W
Misy fera fipasohana 1 = 900W
Misy bouloir 1 = 900W
Misy fatana électrique 1 = 1 200W
Misy Mixeur 500w
Misy radio 1 = 100W
Misy télé 1 = 500 W
Misy frigo 1= 500W
Misy ordi 1= 50W
Misy chargeur téléphone 2 = 50W

Totalin'ny herinaratra ilain'io tokatrano io izany: 5 000W

Izany hoe ilay groupe mamokatra 1 Mégawatt izany, dia mahavita mamatsy herinaratra ho an'ny tokotrano (1 000 000/ 5 000)= 200 Tokantrano

Ka raha mamokatra 400 Megawatt izany manerana ny Nosy dia tokatrano 400 x 200= 80 000 ihany izany no mahazo famatsiana jiro tsy misy delestage.

Raha 4 000 000 ny isan'ny tokatrano eto Madagasikara dia mila any amin'ny 20 000 Mégawatt na 20 Giga Watt izany vao ampy ny tokatrano manerana ny nosy.

Etsy ankilany anefa ny indostria dia mihinana betsaka, toy ireny chambre froide ireny, ny poste soudure, ny chauffage, ny moteur, ny machine, ny four.

Ahazoantsika an-tsaina azy, dia i Andekaleka manana Turbine 4 izay mamokatra 30 Mw isanisany, izany hoe 120 Mw raha miaraka mamokatra, nefa mety misy mijanona io indraindray.

Ny maha samihafa ny turbine mandeha amin'ny rano, dia izay herinaratra vokatra dia very, na nisy nampiasa na tsy nisy. Anjaran'ny mpamokatra izany no mitsinjo, fotoana inona no betsaka mampiasa ny herinaratra, ka ampiodininy miaraka ny turbine na misy ajanony haka aina, na hanaovana fanamboarana sy fikojakojana.

Eo amin'ny 22 millions d'euro (88 miliara Ariary na 440 milliards fmg) no nanitatra ny 4e turbine tao Andekaleka.

Ny herinaratra vokarina amin'ny solaire kosa dia voatahiry anaty batterie.

Fanamarihana:

Ny fandrefesana ny herinaratra lany dia Kwh (KiloWattheure), izany hoe herinaratra lanin'ny machine 1kiloWatt mandeha ao anatin'ny 1ora.
Izany hoe raha nampiasa fera 900W nandritra ny 1ora, dia mandany 0.9Kwh, dia io no ampitomboina ny vidin'ny 1Kwh amarotan'ny Jirama azy.

Mirary soa.
Patrick

(Sary nindramina Andekaleka)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.