Ho anareo serasera Kandida 13 sy 25: Mandray ny vaovao avy aminareo ny Gasypatriote

  • mardi, 04 décembre 2018 22:44
  • Super User
  • Sary Gasypatriote

Mandray sy mamoaka maimaimpoana tsy andoavam-bola ny hetsika sy ny sary ataonareo Kandida na ny mpomba anareo izahay na eto amin'ny FB na site internet Gasypatriote.

Na teny Malagasy na teny frantsay. Tsy mamoaka kosa ny Vina, na ny endrika propagandy hoe fidio, na ity no tsara, na excellence sy fanasohasoana izahay. Tsy mamoaka kabary na video.
Ireo programa isam-paritra dia azo alefa, ny hetsika natao tany. Mijanona tanteraka amin'ny filazam-baovao izany izahay.

Izay manome betsaka dia ivoaka imbetsaka, izay tsy manome, dia tsy hitady izahay.
Miezaka ny tsy hitanila fa aza manome tsiny kosa raha avy any aminareo no tsy tonga.
Azo alefa MP na mail Cette adresse e-mail est protégée contre les robots spammeurs. Vous devez activer le JavaScript pour la visualiser.

Ireo propagandy na doka kosa dia mandoa vola, toy ny asa fanaovan-gazety fiveloman'ny Gazety rehetra, ary hisy soratra hoe "Doka" hampiavaka azy amin'ny vaovao.

Misaraka anefa ny resaka fanadihadiana sy vaovao mety mandona ny sasany, iny manana ny fahalalahany tanteraka ny mpanao gazetinay amin'ny famoahan-kevitra (Ligne éditoriale na politique).

Ireo tsy fanarahan-dalàna rehetra hitanay mandritra ny fampielezan-kevitra dia avoakanay eto. Tsy resaka tsy fitiavana fa ezaka ho antsika mpomba ny kandida ny manara-dalàna satria ianareo no itondra ity firenena ity afaka 1 volana.

Mirary soa.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.