Politika ara-bola: Foanana ny MID - fehezina ny vola Ariary - ampiroboroboina ny tsena ivelany

  • dimanche, 13 mai 2018 17:46
  • Super User

(Hisaorana ireo namana mpahay toe-karena manampy amin'ity programa ity)

1. Inona no antsoina hoe MID ?
Ny Marché Interbancaire de devises na MID dia sehatra ahafahana mifampividy na mifampivarotra vola vahiny.

2. Iza avy no mpisehatra amin’ny MID ?
Ny Banky Foibe no mifantina ny mpisehatra ka ny banky tsotra (banque primaire) voafantina ihany no mpisehatra. Mijanona ho mpandrindra sy mpanara-maso ny fifampivarotana rehetra kosa ny Banky Foibe. Tsy tafiditra anaty mpisehatra ny birao fanakalozam-bola (bureau de change).

3. Manao ahoana ny fifamoivozan’ny vola vahiny ?
• Misy mpandraharaha iray hanafatra entana avy any ivelany. Vola vahiny no hividianana izany. Manantona ny banky izy, ka ny banky no manao virement na transfert vola vahiny makany amin’ilay olona ividianany ilay entana. Izy kosa mandoa amin’ny banky ny takalon’izany vola izany, amin'ny vola Ariary MGA, miaraka amin’ny saran’ny fandefasana azy any ivelany. Mihena arak’izany ny tahirimbola vahiny ao amin’io banky io.
• Misy mpandraharaha hafa indray manondrana entana any ivelany. Vola vahiny no andoavan’ilay mpividy an’io entany io. Tonga ao amin’ny bankiny izany vola izany ka mitombo indray izany ny tahirimbola vahiny ao amin’io banky io.

Noho izany :
• Rehefa betsaka ny mpandraharaha manafatra entana noho ny mpanondrana entana dia :
o Betsaka ny filàna vola vahiny, mihena ny tahiry: miaka-bidy ilay vola vahiny ka mihena arak’izany ny sandan’ny Ariary ;
o Miaka-bidy manaraka izany ny entana avy any ivelany. Ohatra amin’izany ny solika ;
• Rehefa betsaka ny mpanondrana noho ny mpanafatra dia :
o Mihena ny filàna vola vahiny, mitombo ny tahiry: Rehefa be ny tahiry dia mihena ny vidiny ka miakatra manaraka izany ny sandan’ny Ariary ;
o Tokony mihena manarak’izay koa ny vidin’ny entana fanafatra eto an-toerana (tsy dia mitombina loatra eto amintsika aloha io fihenana io ankehitriny) ;

4. Aiza no miditra an-tsehatra ny MID ao anatin’izany ?
Rehefa tsy manana tahirina vola vahiny ny banky iray ahafahany manome fahafahampo ny mpanjifany mpanafatra entana dia, mividy amina banky hafa izy. Fifaninana io, lalànan’ny tolotra sy ny tinady: rehefa samy manana ambibava daholo ny banky hafa rehetra dia mihena ho azy ny vidy hividianany azy. Rehefa vitsy kosa ny manana dia mametraka ny vidiny izay manana, ka miakatra ny vidiny.

Io MID io izany no mamaritra ny fiovaovan’ny sandan’ny Ariary ankehitriny.

5. Ny olana :
• Ny banky ihany no mahazo tombontsoa amin’ny MID satria :
- Isaky ny mila vola vahiny any aminy ianao, dia ianao no mandoa an’izay vidiny nividianany azy tany, miampy ny tombony alainy, vokatr’izay varotra ifanaovana izay ;
- Rehefa mampiditra vola vahiny ianao dia izy no mamaritra ny sanda andraisany azy ao aminy ka tsy ho amin’ny tombontsoanao akory izany ;

Tsy manana ny very ny banky. Ny mpandraharaha (noho ny filany ilay vola vahiny) sy ny olon-tsotra amin’ny ankapobeny (mizaka ny fiakaran’ny vidin’ny entana fanafatra) no mizaka ny elanelan-tsanda izay misy eo.

Ny mpamatsy vola iraisam-pirenena no nanery antsika hanao ny MID mba ho tombontsoan’ny banky ary nanomboka teo dia lasa banky vahiny avokoa no miasa eto amintsika.

• Tsy zakan’ny fihariana malagasy amin’izao fotoana izao ny MID :
- Kely lavitra noho ny fanafarana entana avy any ivelany ny fanondranana amin’izao fotoana izao ka mila vola vahiny betsaka noho ny ampidirintsika isika. Azo neritreretina ihany ny hisian’ny MID raha toa ka efa ambony be ny taham-pamokarana sy taham-panondranantsika.
- Tsy azo ampiasaina sy atakalo any ivelany akory ny Ariary ;

6. Ny vahaolana :
• Foanana ny MID (décret iray monja dia mahafoana azy) :
- Mampihena ny fanariam-bola any ivelany hamelomana ny vahiny fotsiny izany ;

• Sandambola tokana tsy miovaova no ampiasaina :
- Voafehy amin’izany ny fiovaovan’ny vidin’entana ;
- Mora kokoa ny fanaovana vina sy ny fametrahana tanjona fohy, antonony ary lavitra ezaka, ho an’ny famoronana orinasa, tetik’asa isan-karazany ;

• Ampiakarina amin’ny alalan’ireo tetik’asa maro efa novelabelarina anatin’ny programa ny taham-pamokarana sy ny taham-panondranana entana:
- Manatevina ny tahirina vola vahiny eto amintsika izany ary afaka ampiasaina hanatratrarana ny fahatarana ara-teknolojia antsika raha mitaha amin’ireo vahiny amin’ny lafiny maro (fahasalamana, famokarana, indostria,…)
- Tohanana manokana ireo mpamboly sy mpamokatra entana fanondrana, mba hisy indostria matanjaka, ka tsy ny akora tsy voavoatra no ahondrana fa ny vokatra efa nasiana fanamboarana, toy ny vanille, café, jirofo, cacao, vary, bois de rose, mine, crevette, crabe, pêche...

7. Soloina carte électronique ny vola taratasy eto amintsika, ka ampiasaina ny banking money na ireny Mvola, Orange money, airtel money, carte Visa na ny hafa mitovy amin'izany.

Hisy karazany roa io carte électronique io:
- Carte Jaune, na Karatra mavo, ho an'ny mpanjifa rehetra. Afaka mifanakalo, mifandefa vola, mijery ambim-bola na solde, sy ny historique mouvement. Mety misy karazany maro io Karatra mavo io, izay ny mpandraharaha no hisahana izany. Mety misy Karatra tsy mila code fa ampandalovina fotsiny dia mandoa vola, fa ferana ny vola azo avoaka amin'izay mba iarovana ny mety fahaverezany.
- Carte Verte, na Karatra maitso, natokana ho an'ireo mpandrahara, mpivarotra, izay ampiasaina tsy misy hetra amin'ny fifanakalozan'ny samy Karatra maitso, fa rehefa hidiran'ny vola avy amin'ny Karatra mavo kosa izy, dia fifanakalozana ara-barotra izay, ka avy dia miala ho azy ny hetra na ny TVA amin'ilay entana, izay ampidinina ambany ny TVA, tsy hiotra ny 10%, ary ny PPN rehetra dia tsy mandoa TVA, raha vokatra teto an-toerana.

8- Rehefa mari-toerana io rafitra ara-bola io, dia ampidinina ny sandan'ny vola vahiny amin'ny vola Malagasy, ka dia soloina ny vola eto amintsika, ka ho zaraina 100.

Izany hoe ny vola 100 Ariary dia ho lasa 1 Ariary. Ny karamatsika 200 000 Ariary, dia ho lasa 2 000 ariary. Ny vidim-bary 2 000 Ariary izany dia ho 20 ariary, ny saran-dalana 400 Ariary dia 4 Ariary. Hiditra kosa ny Iraimbilanja sy ny Vetsikorobo Ariary (centime), ho an'ny enta-madinika. tsy ho sarotra ampiasaina izay satria dia ny carte électronique no hisolo ny vola.

9- Hisy ny fanentanana ny vahoaka sy ny fanofanana ireo orin'asa. Hisy fanampiana manokana amin'ny Infomatisation sy ny comptabilité.

10- Hanangana Tsenam-bola sy Tsenam-bokatra isika, na ilay Bourse financière sy Bourse Matière première. Ka afaka hividianana na amarotana ireny action na petra-bola any amin'ireny orinasa vavety ajorotsika na efa misy eto amitsika ireny, toy ny Jirama, Air Madagascar, projet éthanol, projet Riz, famarotana vanille, café, jirofo, cacao, trondro, vary...

11- Hanangana Banky Malagasy isika, ka izara roa:
- Misy ny banky natokana ho an'ny fampadrosoana, ka hampindra-mbola amin'ireo orin'asa, na ireo anorina orin'asa, na amatsiana ireo tetikasa. Tsy mihoatra ny 5% isan-taona ny zana-bola alaina. Tsy takiana antoka ireo tanora izay avy nanaraka fiofanana anangana orin'asa, hisy ny birao manokana isaky ny Kaominina hanampy an'ireny fananganana orin'asa ireny.

- Misy ny Banky natokana ho an'ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny Fokontany (20 000 isa), ny Kaominina (1 600 isa), ny Faritra (3 isa) ary ny Foibe. Tsy mihoatra ny 2% ny zana-bola alaina amin'izany.

Hisy petra-bola omen'ny Foibe ireo Banky Malagasy ireo atao antoka (Fond de garantie), amin'ny fampindramam-bola omeny ireo orin'asa na tanora tompon'ny tetikasa ireo.

12- Ho jerena manokana ireny fampindramam-bola micro-cred ireny, satria dia ambony loatra ny zana-bola alain'izy ireny, 6-7% isam-bolana, izany hoe 72-84% isan-taona, famonoana toe-karena izany.

13- Atao malalaka ny tsenam-bola ka ireo banky lehibe vahiny dia afaka miantsehatra eto avokoa. tsy ferana ny vola miserasera, tsy terena hijanona na averina eto ny vola vahiny, atao malalaka ny fividianana na famarotana izany, mila manana Karatra maitso fotsiny. Ireny mpanao change eny amoron-dalana ireny dia maka Karatra maitso fotsiny fa malalaka ny asa.

Tsy misy fetra ambony ny vola kirakiraina ka hidiran'ny SAMIFIN. Izay tratra manao asa maloto sy voararan'ny lalàna ihany no misy ny Fitsarana anasazy.

14- Ny Foibe dia afaka mamorona vola, création monétaire, hamatsiana ny tetikasa, sy foto-drafitrasa vavety (investissement), hifehezana ny fidangan'ny vidim-piainana na inflation.

15- Atao ireo ezaka ampiakarana ny fahefa-mividy mba tsy hiakatra ny vidim-piainana, ka anisan'izany ny fifehezana ny vola Ariary ka tsy hiankina amin'ny vola vahiny. Omena vary 150Kg, rano 15m3 ary Ethanol 30 litres, isam-bolana, isan-tokatrano, mba hampihena ny vola mivoaka amin'ny isan-tokantrano, ka hampitombo ny vola laniany amin'ny zavatra hafa.

Ny karama rahateo dia efa ampiakarina ho
* 1 000 000 Ariary (na 10 000 Ariary vola vaovao) ho an'izay manana licence miakatra;
* 500 000 Ariary (na 5 000 Ariary vola vaovao) ho an'izay manana Bac miakatra;
* 200 000 Ariary (na 2 000 Ariary vola vaovao) ny ambanin'izay.
Ny Bourse n'ny mpianatra, ny ampahefatr'ireo isan'ambaratongany.

Vitatsika io.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.