Ambohitsorohitra: Fanorenana Lapan'ny Fihavanana

  • dimanche, 06 mai 2018 19:02
  • Super User

Hanehoana ny Kolontsaina Malagasy iray manontolo, izay miorina eo ambonin'ny Fihavanana, dia ho atao "Lapan'ny Fihavanana" ny lapan'Ambohitsorohitra ankehitriny.

Haranty ao avokoa, ka azon'ny rehetra tsidihina (Mozea), ny tantara Malagasy, ny tantaran'ny Fanjakana rehetra nanerana ny Nosy, ny kolontsaina Malagasy, ny tantaram-pirenena nifandimby, ireo rehetra nitondra ny Firenena.

Ho kajiana ao ireo famantarana manokana ny Fanjakana isam-paritra sy isam-poko.

Toerana hanaovana fikarohana ny tantaran'ny faritra tsirairay sy ny tantaram-pirenena ihany koa ity “Lapan'ny Fihavanana” ity.

Eo amin'ny 14ha eo ny velaran'ity toerana ity, ka dia hananganana "Tranoben'ny Kolontsaina" lehibe, ahafahana mandray olona 10 000 eo.

Antsoina ireo Malagasy manampahaizana, mpampianatra, mpikaroka, ireo Olobe, Tangalamena sy Mpanjaka isam-paritra hiaraka handinika sy handrafitra izany toerana izany.

Ny Fanjakana Foibe kosa, eo ampiandohana, no handrindra sy hitantana ny toerana, izay asiana komity manokana momba izany.

Vitatsika io
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.