Editorial

    • mercredi, 08 mai 2019 16:49
    • Tahirin-tsary nindramina

    Fantatrao ve: Ady lehibe faharoa

    I Staline no nametraka ny datin'ny 8 mey ho datin'ny filavoana lefona alemanina Tsy nilamina ny famaranana ny ady lehibe voalohany nisy teo amin'ny eropeanina tandrefana sy tatsinana ny taona 1914-1918, izay ady nisy teo amin'ny Allemagne, France, Royaume-Uni, Russie, Japon, États-Unis sy ireo firenena zanatany. Teo ihany koa ny finiavana anitatra fanjakana teo amin'ny firenena telo antsoina hoe "Axe", dia i Allemagne nazie, Italie fasciste ary ny Empire du Japon. Nisy koa anefa ireo fifandonana tetsy sy teroa, toa ny tao Ethiopie nifandona tamin'ny Italianina ny taona 1935, ny tao Espagne niady an-trano ny taona 1936, ny Sinoa nifandona tamin'ny Japon ny taona 1937, ny tao Europe izay nogiazan'ny Alemanina i Autriche ny taona 1938, ary mbola nitariny tany Tchécoslovaquie, izay nakany mihitsy an'i Pologne ny taona 1939.
    Lire la suite ...
    • lundi, 06 mai 2019 08:16

    Fantatrao ve: Ohatrinona ny Hélicoptère iray?

    Anisan'ny fiaramanidina ilaina tokoa ny angidimby na hélicoptère, satria mahazaka olona sy entana vitsivitsy izy, afaka miainga sy mipetraka amin'ny toerana rehetra. Arakaraky ny karazany, misy ny afaka mandeha alina sy mahazaka oran'andro, maro kosa no tsy afaka satria amin'ny ankapobeny dia tsy miakatra ambony be ny sidin'ny angidimby, ka raha ratsy na manjavona na maizina ny andro dia mety hidona amin'ny tendrombohitra satria tsy mahita ny mpanamory. Misy kosa no manana radar, fa na izany mananosarotra ny sidina. Misy karazany roa ny hélicoptère, ao ny natokana ho an'ny sivily, ary ao kosa ireo an'ny tafika na miaramila. Ny mahasamihafa azy, ny an'ny tafika dia misy fitaovam-piadiana, na azo ametrahana izany. Misy fepetra iraisam-pirenena ny fividianana fitaovam-piadiana, ary tafiditra amin'izany ny hélicoptère militaire.Tsy maintsy ny fanjakana irery ihany no afaka manafatra azy, ny olo-tsotra dia sazian'ny lalàna iraisam-pirenena, toy ny manao trafikana basy, izay mividy azy ireny eny amin'ny tambajotra antsokosoko.
    Lire la suite ...
    • samedi, 04 mai 2019 10:29
    • Sary Gasypatriote

    Fantatrao ve: Ahoana ny fanadiovana io rano sotroinao io?

    Ny rano dia mandrafitra ny 80% n'ny vatan'ny olombelona, ka isan'ny singa tsy azo atao ambanin-javatra izy izany, na ny fahadiovany, na ny hamaroany. Ny rano dia azo entina atao famantarana ny fahantrana na ny fandrosoan'ny firenena iray. Matetika henotsika ny hoe mila misotra rano 1.5l isan'andro ny olon-dehibe iray. Ny filan'ny olona aty amin'ny tany mahantra dia eo amin'ny 100l isan'andro, isan'olona. Tafiditra ao ny rano fisotro, ny fandrahoana sakafo, ny fanasana lamba, ny fisasana... Any amin'ny tany mandroso kosa dia tafakatra hatrany amin'ny 1 200l ny rano lanin'olona iray isan'andro, satria ny azy misy WC, izay indray mandeha misintona dia 12l no lany, misy fiara maromaro sasana, misy zaridaina tondrahana, misy piscine, misy baignoire izay indray mandro dia 200l... Misy izany ny rano tsy maintsy madio azo sotroina, eau potable, misy kosa ny ilana rano madio fotsiny, tsy voatery ho sotroina, satria anasana fiara sy anondrahana zaridaina.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 02 mai 2019 10:00
    • Sary Gasypatriote

    Fantatrao ve: Ahoana ny fikajiana ny ora fiasana iray volana?

    Mba tsy ahadiso ny adihevitra amin'ny resaka fampiakaran-karama dia entina eto ny fomba fikajiana ny ora fiasana. Hatramin'izay dia toy izao ny fikajiana ny ora fiasana, araky ny làlanan'ny asa (Code de travail art 75). Raisitsika eto ny mpiasa rehetra ankoatran'ny mpiasan'ny société agricole izay 2 200 ora isan-taona ny azy ny kajy rehetra atao. 1 taona= 52 herinandroMpiasa miasa 8ora isan'andro, izany hoe raha miasa alatsinainy, talata, alarobia, alakalisy, zoma (Tsy miasa sabotsy), dia miasa 8ora x 5= 40ora isakerin'andro. Tsy avy dia atao hoe 40 x 4 = 160ora izany no fikajy azy satria misy volana 28 andro, misy 30 andro, ary misy 31 andro. Fa raisina isan-taona hoe 40ora x 52 (isan'ny herin'andro 1 taona) Noho izany dia 40ora x 52 ÷ 12 (volana) = 173.33 ora isam-bolana no iasana.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 mai 2019 11:13
    • Sary nindramina

    Fantatrao ve: Ohatrinona ny Tramway?

    Ny antsoina hoe Tramway dia fitaterana andalamby antanan-dehibe. Izy io dia tsy mandeha mafy ary mifangaro amin'ny fifamoivoizana rehetra izy, na fiarakodia na mpandeha an-tongotra. Manana ny lalany manokana kosa izy, ary izy mijanona stop sy manaraka ny lalàna fifamoivoizana. Izy kosa matetika no priorité amin'ny sampanana isan-karazany. Mahazaka mpandeha maro izy, ary mijanona isaky ny arrêt rehetra amin'ny ora voatondro. tsy tara izy matetika satria dia azy irery ny lalana alehany. Etiopia, firenena faran'izay osa indrindra maneran-tany izao no firenena voalohany taty Afrika manana usine de montage mihitsy fanamboarana Tramway. Ohatrinona no vidiny? Mitentina 470 millions de dollars ny vidiny nanamboarana azy hatramin'ny lalamby sy ny herinaratra manokana natokana ho azy (1 645 miliara ariary, ampahatelon'ny tetibolantsika manontolo).
    Lire la suite ...
    • mardi, 30 avril 2019 09:39
    • Sary nindramina Net

    Fantatrao ve: Ohatrinona ny vidin'ny TGV (Train à Grande Vitesse)?

    Ny lamasinina manana hafangainam-pandeha hatrany amin'ny 300Km/h eo no antsoina hoe TGV. Antananarivo - Mahajanga izany dia vitaina eo amin'ny 2ora eo.Ny fananana an'ireny dia zavatra goavana ho an'ny toe-karena satria manamora sy manafaingana ny fivezivezen'ny olona sy ny entana. Ny rame iray mahazaka 500 olona dia eo amin'ny 30 millions d'euro eo (120 miliara ariary), ka raha mila 5 izany ny ligne iray dia 150 millions d'euro. Ankoatran'ny fanamboarana ny lalamby sy ireo tetezana ary tonelina handalovany. Ny TGV any Maroc, voalohany taty Afrika, dia mirefy 200Km, 12 rames duplex, 2 milliards euro ny vidiny (8 000 miliara ariary - raha 6 000 miliara ariary ny tetibolantsika manontolo). Izany hoe 10 millions euro isaky ny Km, raha 20 millions euro ny vidiny any Frantsa. Ny Frantsay no namatsy ny 51% ny vola izay averina.
    Lire la suite ...
    • lundi, 29 avril 2019 11:48
    • Sary nindramina

    Fantatrao ve: Mitovy amin'ny felatanana roa ny kodiaran'ny fiara mipetraka amin'ny tany

    Raha mandeha ny fiarakodia, dia ny kodiarana (pneu) no fitaovana mitondra izany. Ny motera dia natao fotsiny anodina ny kodiarana, ary ny kodiarana ihany koa no milanja ny vesatry ny fiarakodia rehetra sy ny olona ary ny entana ao anatiny. Ny kodiarana irery ihany no miantoka ny fipetrahan'ny fiara eo amin'ny làlana. Kojakoja manan-danja izany ny kodiarana. Amin'ny ankapobeny, dia mitovy amin'ny felatanana 2 ny velaran'ny gomme n'ny kodiarana 4 mipetraka amin'ny tany, fa rehefa mihodina ny kodiarana dia mifandimby mipetaka amin'ny tany fotsiny ny manodidina ny kodiarana mandram-piveriny amin'ny velarana nipetraka voalohany. Ka raha te handroso izany ny fiara, dia toy ny felatanana roa no mivohy mamikitra amin'ny tany androsoana.Raha te hijanona izany ny fiara, dia ny felatanana roa no mamikitra mikiky ny tany mba hijanonana.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 26 avril 2019 11:09
    • Sary nindramina

    Azo atao avy hatrany ny fampandrosoana ny Faritra

    Mampatsiahy kely fotsiny, foano ny décret convocation référendum Efa nisy décret convocation des électeurs ho an'ilay référendum.Rehefa namoaka ny heviny ny HCC, na avis, dia marina fa tsy voatery arahin'ny Filoham-pirenena ilay avis, satria tsy arrêt na décision, izay tsy azo ivalozana, fa fakana hevitra iny. Nefa kosa tandremo fa ny filohan'ny Sénat ihany koa dia nangataka iny avis iny, ka raha tsy foana izany ilay décret nampiantso référendum dia toy ny mbola misy foana ilay référendum, ka afaka mitory ny mpifidy avy eo hoe tsy ara-dalana io référendum io, dia hivadika didy izy eo amin'ny HCC, vao zava-doza io, satria azo raisina ho fandikana Lalampanorenana ka ampiasaina ho empêchement any aoriana.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 avril 2019 17:18
    • Photo Archives

    Kidnappings: Que fait l’Etat ?

    Ces 10 dernières années, le kidnapping est au cœur des actualités à Madagascar. Depuis 1991 le chiffre de 110 aurait été atteint selon un responsable du Collectif des Français d’origine indienne à Madagascar (CFOIM). Une dizaine de plaintes ont été déposées par le CFOIM en France et qui collabore avec la cellule mixte d’enquête anti-kidnapping (CME) mise en place en septembre 2017 par le gouvernement malagasy, regroupant des policiers, des gendarmes et des fonctionnaires du ministère de la Justice. Le kidnapping est devenu un business lucratif et horrifiant. Les principales victimes sont les Indo-pakistanais, Karana, dont 40 % des 15 000 membres possèdent la nationalité française et occupent une place importante dans l’économie de Madagascar. Selon l’un d’entre eux, la 90ème victime et descendant d’une famille prospère installée à Madagascar depuis quelques générations qui a détenu le record de 23 jours avant d’être relâchée, après probablement paiement de rançon, « les kidnappeurs sont bien « entraînés, équipés de fusils d’assaut, avec un mode opératoire précis ».
    Lire la suite ...
    • mercredi, 24 avril 2019 23:56

    Fantatrao ve ny atao hoe Fitsapan-kevibahoaka?

    Misy fotoana ny mpitondra maka ny hevitry ny vahoaka mivantana, satria izy no tompon'ny fahefana (and 5 Lalampanorenana), ka misy fanontaniana apetraka, ka valiana ENY na TSIA. Tsy azo saratsarahana ny valiteny raha misy fanontaniana maromaro eo izany. Azo zaraina roa io Fitsapan-kevibahoaka io, ao ny anontaniana ny vahoaka mikasika olona, indrindra ny mpitondra, plébiscite no anarany amin'ny teny frantsay.Ohatra tamin'ny 1975, nanontaniana raha i Didier Ratsiraka no hitondra ny Firenena. tsy élection na fifidianana izy eo izany satria tsy misy mpifaninana, fa mamaly ENY na TSIA fotsiny. Misy ny vato fotsy sy ny vato maty, toy ny mahazatra. Misy kosa ny hevitra no anontaniana. Référendum indray no iantsoana azy eo.Azo zaraina roa ihany koa io réferendum io.
    Lire la suite ...
Page 5 sur 53