Editorial

    • dimanche, 26 mai 2019 00:06

    Tapitra ny fampielezan-kevitra

    Misaotra an'ireo Kandida rehetra nandefa vaovao tsy tapaka, niarahan'ny rehetra nahita ireo programantsika tsirairay. Misaotra antsika namana tsy tapaka manaraka anay eto ihany koa. Mitohy hatrany ny fanomezam-baovao sy fisarihana ny fomba fijery ho antsika rehetra, misaotra ireo manome vaovao hatrany. Mankasitraka ireo mpanao gazety Gasypatriote manerana ny Nosy sy ireo mpanome vaovao manetry tena tsy miseho. Ny Ekipa GasypatriotePatrick
    Lire la suite ...
    • vendredi, 24 mai 2019 08:28
    • Sary nindramina

    Pr Victor MANANTSOA: Mifamototra ny fametrahana ny biométrie

    Raha nivahiny tao amin'ny fandaharana "Vahaolana" tao amin'ny Top Radio ity mpampianatra Professeur informatique any Fianarantsoa ity, izay minisitra ihany koa teo aloha, dia nanambara fa tena tsara ny informatisation sy ny fikasana rehetra hanao biométrique, ary manana fahaizana amin'izany isika Malagasy, na ireo teknisianina sy injeniera nivoaka tao Fianarantsoa, na Vontovorona, na Antsiranana, Toamasina, ary ireo nivoaka tamin'ny sekoly tsy miankina, ankoatr'ireo izay Malagasy manana traikefa any ivelany. Fa ny tena olana hoy izy, dia tsy mihaino ireo teknisianina ny mpitondra ka mifamototra avokoa ny zavatra atao. Ny algorithme hoy izy, dia miainga hatrany amin'ny olombelona.Tsy maintsy manana soram-piankohonana izy vao teraka, dia iny no omena kara-panondro, dia izay izy vao tafiditra anaty lisi-pifidianana, izay vao mahazo kara-pifidianana.Iny olona iny ihany koa no omena permis, ary mividy tany, na mividy fiara.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 mai 2019 12:25

    Anakatona radio sy télé?

    Tsy mety maka ohatra tamin'ny lasa mihitsy ve? Tsy hitako koa anie anasarotana an'izy io e, any Etats-Unis, na club basket, na choral aza manana radio, resaka gestion de fréquence fotsiny no idiran'ny mpitondra ao an-toerana, fa tsy misy manao demande izany. Ny sekoly mamokatra mpianatra mahay électronique, dia efa manangana station, ny internet manome toky, dia youtube anaovana station, any an-trano, tsy mila fitaovana betsaka. Isika dia be filirony te hanakatsakana ny fahalalahana hiteny, amoronana izao rehetra izao. Tsy io fanakatonana station io ve no nampirodana ilay raika lahy iny, dia mbola nitohy ny fandorana ilay station iray, dia nogejaina indray ilay an'ilay raikalahy iny, dé zay hatrany ve?
    Lire la suite ...
    • lundi, 20 mai 2019 13:19
    • Sary nindramina

    Fantatrao ve: Ahoana ny fikajiana ny zana-bola ataon'ny banky?

    Maro ireo tanora, na mpandraharaha, na olo-tsotra te hindram-bola amin'ny banky ahafahany mihary, na mividy zavatra. Isan-taona hatrany ny fanisana ny zana-bola, fa tsinjaraina isam-bolana fotsiny ny amerenana azy amin'ny ankapobeny, miaraka amin'ny renivola. 1- Fidramam-bola olon-tsotra (crédit ménage): Raha olo-tsotra, izay hindram-bola ampiasaina an-davan'andro fa tsy ahodina hitadiavam-bola, na crédit ménage na crédit à la consommation, ohatra, te hividy trano, te andeha vacances, hiatrika fidiran'ny mpianatra, hividy moto na hividy fiara. Matetika ny banky eto Madagasikara dia maka zana-bola 17-19% isan-taona amin'ny vola ampindraminy. Ny lalànan'ny fampindramam-bola dia tsy maintsy manana antoka ianao vao omen'ny banky trosa, ahafahany miantoka ny famerenanao ny volany. Ka matetika raha crédit ménage, dia olona manana asa raikitra CDI no omeny izany, ary tsy mihoatra ny 30% n'ny vata-karama ihany no vola azony omena anao, mba ahafahanao miaina.
    Lire la suite ...
    • samedi, 18 mai 2019 19:30
    • Photo Archives

    Réconciliation : Un droit à l'oubli ?

    A un moment de sa vie, chacun pourrait avoir fait "des conneries", certaines sont moins importantes, d‘autres seraient inacceptables, pour ne pas dire bannies par la société et sûrement condamnées par la loi. Mais a-t-on un droit pour une seconde chance ? Celle-ci, la majorité des politiciens malagasy ont eu la leur à travers la « feuille de route » de la Réconciliation nationale, évidemment elle ne fait pas gratuitement ! Derrière la réconciliation existe une …compensation ! Car dans le milieu politique africain comme malagasy, tout se monnaye, donc une réconciliation qu’elle qu’en soit la cause (rixes, pillages, guerre civiles, génocides, …) se conclue par une réparation sous d’autres cieux ou dans d’autres Etats, cela se dénomme « dommages et intérêts ». Mais le hic dans notre patrie bien aimée les caisses de compensation sont vides !!! Vides parce que l'Etat rechigne de mettre la main dans sa poche ou plus exactement son trésor … public afin de sortir un denier, il attend les partenaires financiers : l'ONU, UE, SADC, … pour payer à sa place !
    Lire la suite ...
    • vendredi, 17 mai 2019 18:04

    Sina: Hafa mihitsy ny azy ny demokrasia

    Misy 1.3 miliara ny isan'ny Sinoa. Ny azy hafa mihitsy ny demokrasia.Tsy misy hoe tiako na tsia eto, fa miezaka mandinika ny fiainandreo. Ahoana tokoa moa raha ny ampahefatry ny mponina any no vehivavy tonga taona afaka miteraka. Izany hoe 300 millions vehivavy, ka samy bevoka aby izany, heritaona izany dia hisondrotra 300 millions tampoka eo ny isan'ny mponina? Izany hoe heritaona dia miakatra mitovy amin'ny isan'ny mponina any Europe manontolo, na any Etats-Unis manontolo, na aty Afrika manontolo? Aiza ny trano asiana an'izany, ahoana ny sakafo omena an'izany, eny na ny fotodrafitrasa sy ny hanariana ny "tain'izany" aza raharaha be. Normal be izy raha mametra hoe tsy mahazo miteraka mihoatra ny iray ny vehivavy sinoa, raha membre n'ny parti, dia mahazo miteraka 2, izao efa manomboka misy ny fanalalahana ny hiteraka fa mbola feno fepetra ihany.
    Lire la suite ...
    • lundi, 13 mai 2019 09:24
    • Tarehi-marika OMH

    Fantatrao ve: Ahoana no hikajiana ny vidin'ny solika?

    Eto Madagasikara dia ny Fanjakana, rehefa avy midinika amin'ireo mpanafatra sy mpaninjara solika, no mametra ny vidin'ny solika farany ambony. Raha teo aloha, ny sehatry ny stratejika toy ny solika dia ny fanjakana iray manontolo no manafatra, manadio, ary mitsinjara, dia taty aoriana namidy sy nomena ny tsy miankina avokoa izany. Ny Station service dia Malagasy no betsaka mitana azy, misy petra-bola omeny ny mpanijara ambongadiny, dia iny mpanijara iny no miantoka ny station, ny fitaovana rehetra, ny solika amidy ao. Ilay Gérant station izany no miantoka ny lany rehetra, na ny mpiasa, na ny fampendehanana ny varotra, ny jiro, rano sy ny kojakoja ilaina. Mahazo mivarotra entana hafa izy fa voafetra ihany koa izany, fa tsy maintsy maka izay entan'ilay mpaninjara ambongadiny, toy ny menaka fiara... Singa 5 lehibe no tafiditra amin'ny famaritana ny vidin'ny solika amidy antsinjarany amin'ny mpanjifa:
    Lire la suite ...
    • vendredi, 10 mai 2019 16:28
    • Photo Archives Gasypatriote

    Le chemin vers le pouvoir est pavé de bonnes intentions

    Tout a commencé en 1994 durant le mandat du premier président de la 3ème République. Craignant les conditions de l’ « ajustement structurel » réclamés par les bailleurs de fonds, le Professeur Zafy Albert chercha d’autres sources de financement dites « parallèles » que faisaient miroiter son entourage. En l’acceptant, il plongea son pays, qu’il a voulu sauver, dans un des scandales retentissants, mais en même temps, il a ouvert une nouvelle ère, celui de l’opacité des mouvements financiers, et surtout de l’escroquerie à haut vol (fanambakana sy halatra avo lenta). Tous les Malagasy âgés actuellement de 45 ans et plus se souviennent encore de l’affaire FLAMCO. C’est une filiale d’une société suisso- liechtensteinoise Flamco Aktien Gesellschaft(AG) qui proposa son aide, ou plus exactement son financement au gouvernement de l’époque. La réalité en est tout autre, ce fut l’arnaque du 20ème siècle dont les principaux auteurs sont ceux qui ont été ou proches des responsables de l’époque.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 08 mai 2019 16:49
    • Tahirin-tsary nindramina

    Fantatrao ve: Ady lehibe faharoa

    I Staline no nametraka ny datin'ny 8 mey ho datin'ny filavoana lefona alemanina Tsy nilamina ny famaranana ny ady lehibe voalohany nisy teo amin'ny eropeanina tandrefana sy tatsinana ny taona 1914-1918, izay ady nisy teo amin'ny Allemagne, France, Royaume-Uni, Russie, Japon, États-Unis sy ireo firenena zanatany. Teo ihany koa ny finiavana anitatra fanjakana teo amin'ny firenena telo antsoina hoe "Axe", dia i Allemagne nazie, Italie fasciste ary ny Empire du Japon. Nisy koa anefa ireo fifandonana tetsy sy teroa, toa ny tao Ethiopie nifandona tamin'ny Italianina ny taona 1935, ny tao Espagne niady an-trano ny taona 1936, ny Sinoa nifandona tamin'ny Japon ny taona 1937, ny tao Europe izay nogiazan'ny Alemanina i Autriche ny taona 1938, ary mbola nitariny tany Tchécoslovaquie, izay nakany mihitsy an'i Pologne ny taona 1939.
    Lire la suite ...
    • lundi, 06 mai 2019 08:16

    Fantatrao ve: Ohatrinona ny Hélicoptère iray?

    Anisan'ny fiaramanidina ilaina tokoa ny angidimby na hélicoptère, satria mahazaka olona sy entana vitsivitsy izy, afaka miainga sy mipetraka amin'ny toerana rehetra. Arakaraky ny karazany, misy ny afaka mandeha alina sy mahazaka oran'andro, maro kosa no tsy afaka satria amin'ny ankapobeny dia tsy miakatra ambony be ny sidin'ny angidimby, ka raha ratsy na manjavona na maizina ny andro dia mety hidona amin'ny tendrombohitra satria tsy mahita ny mpanamory. Misy kosa no manana radar, fa na izany mananosarotra ny sidina. Misy karazany roa ny hélicoptère, ao ny natokana ho an'ny sivily, ary ao kosa ireo an'ny tafika na miaramila. Ny mahasamihafa azy, ny an'ny tafika dia misy fitaovam-piadiana, na azo ametrahana izany. Misy fepetra iraisam-pirenena ny fividianana fitaovam-piadiana, ary tafiditra amin'izany ny hélicoptère militaire.Tsy maintsy ny fanjakana irery ihany no afaka manafatra azy, ny olo-tsotra dia sazian'ny lalàna iraisam-pirenena, toy ny manao trafikana basy, izay mividy azy ireny eny amin'ny tambajotra antsokosoko.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 49