Coronavirus: Fepetra momba ny Hetra

  • mardi, 24 mars 2020 12:44

Ho fampiarana ny tsy hiparitahan'ny valanaretina coronavirus dia tsy miasa ireo mpiasa ao amin'ny Ministeran'ny vola sy ny teti-bola hafa tsy:

- Ireo mpiasa miadidy ny famoaham-bola maika

- Ireo mpiasa amin'ny fandoavana karama sy ny fisotroan-dronono sy ny karaman'ny ECD

- Ireo mpiasa mpanamarina ny vola mikasika ny valanaretina Coronavirus

- Ireo mpiasa mahakasika ny famoahan'entana amin'ny faditseranana

- Ireo mpiasa mandray ny fiantohana ny lany amin'ny fandraisana an-tanana ireo marary amin'ny mpiasam-panjakana.

Mikasika ny Hetra:

- Manentana ireo orinasa vaventy hampiasa ny tambazotra E-HETRAPAYEMENT ary ny HETRAPHONE ho an'ireo voakasiky ny Impôt Synthétique

- Miantona hatramin'ny 30 jona 2020 ny fandoavana ny acomptes provisionnels IR ho an'ny orinasa hotely, fisakafoana, mpandraharaha momba ny fizahan-tany, ny agences de voyages, ny orinasa fiaramanidina, ary ny orinasa hafakaba indostrialy.

- Ahemotra hatramin'ny 15 mai 2020 ny fanambaran-ketra sy ny fandoavana Hetra Impôt Synthétique.

- Esorina ao anatin'ny Hetra ny fanomezana sy fanampiana amin'ny ady Coronavirus.

- Mihantona ny fitsirihina tampoka momba ny Hetra hatramin'ny 31 mai 2020, hafa tsy ireo mpampakatra vidin'entana.

- Tsy misy fiovana ny fanambarana sy fandoavana ny TVA sy ny IRSA.

Mikasika ny faditseranana ladoany:

- Misy ny fepetra manokana mifanaraka amin'ny fanambaran'ny Filoham-pirenena

- Ny birao ao Toamasina sy Antananarivo dia miasa avokoa fa manaraka fepetra manokana ho fiarovana

- Miasa ny ladoany fa ezahina ny tsy hisian'ny fifampikasohana (Télétravail)

- Ireo tsy maintsy miasa eny an-toerana kosa dia manohy ny asany

- Ny fanampiana maha olona, ireo fanafody sy kojakoja ara-pahasalamana, ny entana ilaina an-davan'andro PPN dia atao laharam-pahamehana.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.