Fizahantany: 378 000 ireo vahiny tonga nitsidika an’i Madagasikara ny taona 2019

  • mardi, 11 février 2020 22:14
  • Sary nindramina

Naherin’ny 378 000 ny isan’ny mpizahatany nitsidika an’i Madagasikara ny taona 2019 raha 375 000 teo izany tamin’ny 2008, izay taona nahamaro indrindra ny mpizahatany tonga teto amintsika.

Mpizahatany 500 000 no tanjona amin’ny 2023, hanampy amin’ny fanatratrarana izany vina izany ny ITM (International Tourism Fair Madagascar). Andiany faha-9 ny amin’ity taona 2020 ity, izay hotanterahina eny amin’ny Centre des Conférences Internationales eny Ivato (CCI) – Antananarivo ny 18 – 19 – 20 – 21 jona 2020, tafiditra indrindra amin’ny fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.