ADEMA: Hotantanan’ny tsy miankina ireo seranam-piaramanidina madinika

  • vendredi, 17 janvier 2020 19:27
  • Loharanom-baovao: MTTM

Vita sonia omaly ireo fifanaraham-pitantanana, andiany voalohany an’ireo seranam-piaramanidina sahanin’ny ADEMA.

Hotantanin’ny orinasa Harold Aéroport ny seranam-piaramanidina Antalaha, hotantanin’ny orinasa Floribis ny ao Vohémar, hotantanin’ny Groupe Spice Oil ny ao Mananara-Nord, hotantanin’ny Groupe Filatex ny ao Analalava sy ny ao Manakara. Hotantanin’ny orinasa SEAVA Sarl - consortium CCIV ny ao Antsirabe. Hotantanin’ny vondron’orinasa N.E.R.A.BTP ny ao Maintirano ary ny orinasa Aero Sud-Ouest no hitantana ny ao Morombe.

Noho ny tsy fisian’ny fitaterana anabakabaka amin’ireo seranam-piaramanidina madinika no antony hanomezana ny fitantanana ireo seranana ireo ka hotrandrahan’ireo orinasa tsy miankina izay nosafidian’ny ADEMA. Ity farany no hiantoka ny fampandehanana sy ny famatsiam-bola amin’ny fampiroboroboana ireo seranana ireo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.