Vola: Mifarana amin’ny 31 desambra 2019 ny fampiasana ireo ravim-bola navoaka ny taona 2003 sy 2004

  • jeudi, 28 novembre 2019 19:05
  • Sary nindramina

Namoaka didim-panjakana ny Filan-kevitry ny Governemanta nivory ny talata 26 novambra 2019 lasa teo, milaza fa mifarana amin’ny 31 desambra 2019 ny fampiasana ireo ravim-bola 10 000 Ariary, 5 000 Ariary ary 2 000 Ariary izay navoakan’ny Banky Foiben’i Madagasikara araka ny didim-panjakana laharana faha 2003-781 natao ny 8 jolay 2003 sy ny ravim-bola 1 000 Ariary, 500 Ariary, 200 Ariary ary 100 Ariary, izay navoakan’ny Banky Foiben’i Madagasikara araka ny didim-panjakana laharana faha 2004-1040 natao ny 23 novambra 2004.

Tsy manan-kery intsony ireo ravim-bola voalaza ireo, manerana ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara aorian'ny 31 desambra 2019.

Azo atao manomboka ny 2 janoary 2020 ka hatramin’ny 31 desambra 2020 ny fanakalozana ireo ravim-bola ireo any amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara na any amin’ny banky tsotra na any amin’ny Tahirim-bolam-panjakana sy ny ratsa-mangaikany rehetra manerana ny Nosy.

Aorian’izay dia any amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara irery ihany no hahafahana manakalo azy ireo hatramin’ny 30 jona 2021.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.