Toamasina: Misokatra ny taom-piotazana lodsia

  • lundi, 18 novembre 2019 15:22
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Tonga teto Toamasina nanokatra ny taom-piotazana lodsia ny minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana Rakotosoa Lantosoa, nijery ny fandehany niaraka tamin’ireo mpandraharaha mivondrona ao amin’ny GEL (Groupement des Exportateurs de Litchi).

Lodsia hatramin'ny 17 500 taonina no ahondrana amin’ity taona ity, ka sambo roa no ho tonga eto Toamasina haka ireo.

1 000 Ariary, hoy ireo mpanangom-bokatra, no andraisan’ny exportateur ny lodsia iray kilao efa vita sivana na calibrage, nefa 70 000 Ariary no hividianana ny lodsia iray garaba milanja 25kg na 30kg any ambanivohitra.

Mbola vitsy ny mpitatitra hatreto, ka mitoby fotsiny eny an-dalam-be ny lodsia any ambanivolo, indrindra ny any Fenoarivo Atsinanana iny noho ny haratsin’ny lalana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.