Banky Foiben’i Madagasikara: Nosoloina an-dRabarijohn Henri ny Governora

  • mercredi, 06 novembre 2019 22:13
  • Sary nindramina

Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny banky BNI i Rabarijohn Henri talohan’izao fanendrena azy ho Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara izao. Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra androany alarobia 6 novambra 2019 ny didim-panjakana fanendrena azy.

Rabarijohn Henri no mandimby toerana an-dRasolofondraibe Alain Hervé, teo amin’io toeran’ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara io nanomboka tamin’ny 2015.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.