OTIV Boeny: Miandry ny volany ireo mpikambana

  • mercredi, 04 septembre 2019 19:57
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Telo volana taorian’ny 7 jona 2019, fe-potoana nomen’ny filoha Andry Rajoelina ireo tomponandraikitra ao amin’ity OTIV (Ombona Tahiry Ifampisamborana Vola) Boeny, navoriny tao amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny harivan’ny talata 4 jona 2019, natrehin’ny solontena roa, avy amin’ny Vaomiera mpanaramaso ny banky sy sehatra fampindramam-bola, nandrosoan’izy ireo ny drafitra hamerenana ny volan’ireo mpikambana mitaraina fa very vola na mihitsoka tsy azo ao amin’ny OTIV Boeny ny tahirim-bolany efa aman-taonany izao, milaza ho tsy mbola nahazo ny volany ireo mpikambana, no tsy manam-baovao mikasika izany.

Resaka ampahibemaso teo anoloan’ny Lapan’ny tanànan’i Mahajanga tamin’ny 23 mey 2019 no nahatongavana tamin’ny fivoriana tao amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny harivan’ny 4 jona 2019, ka namaritana ny fe-potoana hatramin’ny 7 jona 2019 hanomezana vahaolana. Miandry ny fanatanterahana izany vahaolana izany izahay, hoy ireo tompom-bola.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.