Kianjan'ny Makis Andohatapenaka: FIER MADA andiany faha 21

  • mercredi, 07 août 2019 21:44
  • Sary Njaka

Notanterahina teny amin'ny kianjan'ny Makis Andohatapenaka ny andiany faha 21 amin'ny FIER MADA, izay foara iraisan'ireo tantsaha, mpamboly sy mpiompy ary ny mpanao asa tanana vita malagasy.

Tonga nanotrona sy nanokatra tamin'ny fomba ofisialy izany ny filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA, ka anisan'ny navoitrany tamin'izany ny fampiroboroboana ny famokarana eto Madagasikara.

Nilaza izy fa efa misy ny vola natokana hoan'izany, ary amin'ity taona ity ihany dia efa misokatra ny fandraisana ireo atontan-taratasy ho an'ireo izay vonona hanome ny tetik'asany.

Anisany fanamarihana tany koa ny tsy hisian'ny vidim-pidirana intsony mandritry ity hetsika ity manomboka amin'ny erintaona.

Maharitra dimy andro moa ity foara ity, ary entanina ny rehetra hitsidika sy hanjifa ny vita malagasy, izay ahitana trano eva manodidina ny efapolo eo ho eo eny an-toerana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.