Antsirabe: Entana maro efa tsy azo ampiasaina sy lany andro aman-taonina sarona

  • mercredi, 10 juillet 2019 12:32
  • Sary: MICA

Nandritra ny fisafoana nataon’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny taozavatra teto Antsirabe, ny 4 jolay 2019, rehefa nahazo loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahitan’izy ireo entana maro samihafa efa tsy azo ampiasaina intsony sy lany andro aman-taonina toy ny menaka, vary, lafarina, paty, ronono mandry amin’ny boaty ary voatabia amin’ny boaty.

Nisy lafarina 660 kitapo amin’ny 50kg efa simba izay ho entina ao amin’ilay trano fanatobiana entan’ity mpandraharaha iray ihany koa no tratra nandritra ny fisafoana.

Nahatsikaritra ireto mpanara-mason’ny Minisitera ireto fa tsy voahaja ny fepetra takiana amin’ny fitahirizana ny vokatra tao amin’ilay trano fanatobiana entan’ilay mpandraharaha, satria ireo vokatra simika dia mifangaro sy mikasoka amin’ireo akora fihinana.

Nogiazina sy tsy azo amidy ireo vokatra ireo mandritra ny fanadihadiana.

 

 

Dans la même catégorie
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.