Mananara Avaratra: Mitaraina ireo mpandraharaha « cybercafé »

  • mercredi, 10 juillet 2019 12:20

Ratsy dia ratsy ny « connexion » aty Mananara Avaratra tato anatin’ny herinandro teo izay. Zara fa misy olona miditra ny « cybercafé » noho io fitarazohana io.

"Hojerena ankaiky ny momba anao ka miangavy anao hanana faharetana". Izay hatrany ny valinteny azonay, hoy ny tarainan’ireo mpandraharaha « cybercafé ».

Mandram-paha oviana no hanananay faharetana ? Rehefa tonga mantsy ny fotoana andoavana saran’ny famandrihana na « abonnement » dia tsy misy faharetana kely fa na mandoa na tapahana avy hatrany ny « connexion » nefa asa fivelomanay ary andoavanay hetra amin’ny fanjakana, hoy hatrany ireo mpandraharaha « cybercafé » ireo, ka mangataka ny hamahana haingana ny olana izy ireo.

Raha mikasa ny hifindra tambazotra hafa, dia tereny aloa avokoa ny sarany mandritra ny ambin'ilay iray taona nodiavina, miampy sarany hafa izay midangana tokoa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.