Ambodiriana - Toamasina II: Mihamatihanina ny voly lavanila

  • dimanche, 07 avril 2019 18:30
  • Sary nomena

Mijoro ny fikambanan’ny mpamboly lavanila matihanina aty amin’ny Kaominina Ambodiriana Toamasina II, ka tena liana ny vahoaka izay niarahana nijery ny ezaka vao natomboka sy izay efa vita.

“Mpamboly Tsy Veta (MTV)”, hafa kely ny anaran’ny fikambanana. Ny antony nisafidianana io anarana io, hoy ny mpitarika, dia mba hampirisika ny tantsaha hanatsara fomba fambolena mba tsy ho vesatry ny firenena.

Fanambin’ny MTV ny hamokatra lavanila amin’ny taonina amin’ny 2024, ka mba mangataka amin’ny fanjakana izy ireo, hanampy amin’ny fandriampahalemana.

Etsy ankilany ny MTV dia nanapa-kevitra ny hanaovana karatry ny mpamboly lavanila, canelle ary jirofo ny mpikambana, ary hisy fitsirihina ifotony ny saham-pambolena mba hisorohana ny mampiasa karatra sandoka.

Amin’ny ankapobeny ny fototra lavanila iray dia mahatafavoaka lavanila maitso 5kg, ary ny lavanila matoy tsara 3,6kg dia manome 1kg lavanila masaka.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.